Politique

Mitsitsy volam-panjakana Minisitra mihafy amina hotely kintana 5


  • Alarobia 27 Aprily 2011

Iray volana aty aorian’ny nananganana ny governemanta Vital dia fantatra fa mbola misy minisitra mipetraka amina hotely, kintana dimy.

Ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Rabesa Zafera Antoine izao dia mipetraka ao amin’ny Carlton. Manamarina izany ireo mpandray olona ao amin’ity hotely goavana manana fenitra iraisam-pirenena ity, raha nanontaniana omaly hariva, izay nilaza fa tsy mbola foana ny famandrihana efitrano ho an’ity minisitra ity ao amin’izy ireo. Loharanom-baovao hafa no milaza fa mbola ampiasain’ny minisitra nosoloiny toerana ny trano tokony hitoerany. Vokatr’izay fanofana hotely izay dia ny ministera no manefa. Herinandro lasa izay, araka io loharanom-baovao io, dia nandoa vola efatra hetsy sy telo tapitrisa ariary ny ministera amin’io resaka hofana hotely io. Marihina fa mampivady ny asan’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika sy ny filohan’ny oniversiten’i Mahajanga ny Profesora Rabesa Zafera Antoine.

Mazava fa dia mivezivezy Antananarivo – Mahajanga izy amin’ny fanatanterahana ny asany. Ny tsy mazava kosa eto dia ny hoe iza no miantoka ny fandaniana rehefa hanao ny asan’ny oniversite ny tenany nefa misy asa maika an’ny governemanta tsy maintsy tanterahina ? Izay izany no endriky ny fitsitsiana volam-panjakana anatin’izao fitondrana izao. Mety ho izay koa angamba no antony iray mbola tsy hahafahana mamaha ny fitakian’ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony na SECES.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT