Politique

Miparitaka ny trakta Atahorana hisy gidra indray


  • Alakamisy 03 Febroary 2011

Tetsy amin’ny boriborintany fahatelo sy fahadimy no niparitahan’ny trakta omaly. Napetaka toy ny afisy izany ka ny votoatiny dia manentana ny olona mba higafy tsotr’izao sy hanimba ary handoro ny fananan’ireo olon’ny FAT ary koa ireo izay manana andraikitra ambony eo anivon’izao fitondrana izao.

Midika avy hatrany izany fa misy ny andian’olona manomboka mitroatra sy mitady hampiseho herisetra noho ny tsy fandehanan’ny raharaha eto amin’ny firenena. Mainka koa manamarina an’izany ny fiparitahan’ilay trakta, iray andro monja taorian’ny nivoahan’ny sori-dalan’ny Dr Simao. Raha araka ny heno etsy sy eroa ihany dia misy andian’olona hafa koa mitady ny hanakorontana ny renivohitra. Raha ny nambaran’ny mpitandro ny filaminana dia mitady ny hampiteraka savorovoro eny amin’ireny toerana be olona ireny izy ireo. Omaly ihany dia efa nisy ny fivoarian’ny mpitandro ny filaminana manoloana ity feo miely ity. Mety ho feno olon’izy ireo arak’izany ny toerana maro olona toa ny tsenan’i Mahamasina sy ny toeram-piantsonan’ny taxi-be ihany koa. Tsaho fotsiny ve sa mety misy fahamarinany ihany ? Ho hita eo indray…

 r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT