Politique

Ministeran’ny raharaham-bahiny Ifandovan’ny fianakaviana SYLLA


  • Alarobia 30 Martsa 2011

Voatendry ho ministry ny raharaham-bahiny ao anatin’ny governemanta Vital ny 26 martsa Rtoa Yvette Sylla.

Iray amin’ireo vehivavy enina ao anatin’io governemanta io izy, ary vehivavy fahatelo nanankinana ny diplaomasia Malagasy taorian’i Lila Ratsifandrihamanana, Elyette Rasendratsirofo. Tao anatin’ny governemanta Manandafy ity farany, saingy tsy tafiditra birao moa noho ny raharaha 2009 ireny. Any La Réuninon any moa izy ankehitriny. Fa ho an’i Yvette Sylla dia olona fahatelo amin’ny fianakaviana Sylla mitana io andraikitry ny lehiben’ny diplaomasia malagasy io izy hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena. Efa nitana io andraikitra io teo alohany i Albert Sylla rafozan-dahiny (1960-1965), tamin’ny Repoblika Voalohany, nitondran’ny filoha Philibert Tsiranana sy i Jacques Hugues Sylla vadiny (1993-1996), tamin’ny fitondran’ny Pr Zafy Albert.

Ny fianakaviana Sylla no hany tokana nanamarika tantaram-pirenena toy izany tato anatin’ny 50 taona, ka mahatonga ny maro hanamarika fa ifandovan’izy ireo ny diplaomasia Malagasy. Marihina fa mpampianatra eny amin’ny ambartonga ambony i Yvette Sylla, no filoha nasionalin’ny MAMA (Madagasikara Mandroso), antoko teraka tao anatin’izao krizy tsy mety mivaha izao. Ny tolakandron’ny talata 28 martsa teo izy no nandray feno ny fitantanana ny ministeran’ny raharaham-bahiny, taorian’ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Ramaroson Hippolyte nodimbiasiny toerana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT