Politique

Minisitra zanak’i Dada Andefasana mpitsikilo sao…


  • Talata 10 Mey 2011

Re ankehitriny fa tsy matoky firy ireo minisitra avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny antoko TIM ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana ka mandefa mpanara-maso sy mpitsikilo rehefa mitety faritra ireto minisitra ireto.

 Fahamailona ve ilay izy sa tena tsy fahatokisana mihitsy ? Ary inona no tena antony ? Maro ihany ny resaka mivoaka etsy sy eroa momba ity raharaha ity. Misy milaza fa tsy nivadika tamin’Atoa Ravalomanana mihitsy ireo mpitarika teny amin’ny Magro niditra ao amin’ny governemanta Vital ireo fa miketrika ny amin’ny hanalefahana ny herin’ny FAT avy ao anatiny fotsiny. Hita fa mitarazoka be ihany mantsy ny tolona eny an-kianja ka mety nanapa-kevitra ny hiroso amin’ny dingana manaraka, araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy, ireto zanak’i Dada ireto. Raha izay tokoa no marina dia mitombina ny ahiahin’ny ao ambonimbony ao ka tsy mahagaga raha mandefa mpitsikilo etsy sy eroa ny mpitondra ambony. Tsy mbola fantatra mazava kosa anefa izay manome baiko sy maniraka ireto mpitsikilo minisitra ireto.

Tsy afaka ny hanao zavatra hafahafa mihitsy ve izany ireto minisitra ireto ? Mety hitranga ihany koa ato ho ato ny hoe tsy mahazo manao fitetezam-paritra mihitsy aloha ny mpikambana ao amin’ny governemanta fa mandany vola fotsiny ? Araka ny re ihany dia tsy dia ny hoe hiverenan’Atoa Ravalomanana eto an-tanindrazana fotsiny no omanin’ireo miara-dia aminy, ary mety tafiditra ao anatin’izany ireo minisitra sasany ao amin’ny governemanta fa tena ny filatsahan-kofidiany mihitsy ka hetsehana dieny izao ny amin’ny faritra sy ireo «base» rehetra satria mazava ny resaka fa na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy fifidianana ihany no hamaranana ity krizy ity. Azo atao hoe mafy sy henjana ihany, araka izany, ny mahazo ny FAT satria tsy nionona teny an-kianja intsony izany ny mpanohitra fa efa miditra tsikelikely ao an-dapa koa. Ho sarotra anefa amin’izao vanim-potoana izao ny hanalana na hanoloana minisitra satria midika avy hatrany izany fa tsy mbola milamina ny toe-draharaha ary tsy marin-toerana ny fitondrana tetezamita.

 

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT