Politique

Minisitra Rabenirina Jean Jacques Tsy nahazo toerana tamin’ny fiaramanidina


  • Talata 24 Mey 2011


 “Ialan-tsiny ny fahatarana tamin’ny fahatongavana hamoaka anareo mpanabe vaovao ireto eto Toamasina. Tokony ho tamin’ny 07ora maraina mantsy ny fiaingako tao Antananarivo, nefa tsy nisy toerana ny fiaramanidin’ny Air Madagascar, dia nahemotra tamin’ny 10 ora indray. Niditra an-tsehatra mihitsy ny minisitry ny fitaterana nahazoako toerana tao amin’ny Air Madagascar. Tena tsy rariny kosa anefa no ataon’ity zotram-pitaterana ana habakabaka Malagasy ity”, hoy ny teny nambaran’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Rabenirina Jean Jacques tao Toamasina ny sabotsy 21 mey teo, nandritra ny lanonana ofisialy namoahana ny andiany voalohany “Kintana” teo anivon’ny ivontoerana mpanofana mpampianatra ny Faritra Atsinanana izany. «Mahazendana izany !», hoy ny olona. Tsy voaomana mialoha ve izany ny diany tao Toamasina, fa natao tampoka fotsiny ? Vokatr’izay olana ara-pitaterana izay dia tamin’ny 12ora sy sasany tany ho any vao nanomboka ny lanonana raha voatondro ho tamin’ny 09ora sy sasany. Ireo mpitsena ny minisitra Rabenirina koa amin’io efa tamin’ny fito ora maraina no tonga tao Ambalamanasy. Midika izao fa misy zavatra tsy matotra tsara eo anivon’ny fitantanana sy ny fanatanterahana iraka ara-panjakana ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao, satria tsy voalohany no nitrangana trangan-javatra tahaka izao.

Fa nanaitra ihany koa ny nahitana mpianatra avy eo anivon’ny Lycée Rabemananjara mamo nandritra ny lanonana. Inona avokoa no anton’izany ? Voatery nandray ny andraikiny ny polisy nandamina ny raharaha noho ireto mpianatra nisary adala be loatra.

 

Rakoutou

 

Sary : Ny minisitry fanabeazam-pirenena, Rabenirina Jean Jacques nandritra ny lanonana ofisialy namoahana ireo mpampianatra amin’ny CEG sy Kolejy ao amin’ny andiany “Kintana”

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT