Taorian’ny fiverenan’i Andry Rajoelina, filohan’ny FAT tamin’ny diany tany Torkia sy Frantsa dia maro ny zavatra miova tsikelikely eo amin’ny tontolo politika sy ny fomba famahana ny krizy.
Raha ny fahitana azy mantsy dia tsy hisy intsony ny resaka fanasaziana na famaizana hahazo ny mpitondra eto Madagasikara, satria natevintevina ihany ny delegasionina niaraka tamin’i Andry Rajoelina ary afaka nivezivezy tsara tany Eoropa. Miha matoky tena hatrany ny filohan’ny FAT ary tsy manafina intsony fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena tsy maintsy hotanterahana amin’ity taona 2011 ity ny tenany. Etsy ankilan’izay, araka ny efa notaterina teto sy ny re dia efa manomboka indray ny politika avo lenta hanalefahana ny herin’ny Ankolafy 3, ka ho avy tsy ho ela indray ny fiantsoana ireo mpitari-tolona avy ao amin’ireo ankolafy mpanohitra ireo mba hiditra ao amin’ny rafitra tetezamita, mety ao amin’ny governemanta io, mety ho any amin’ny parlemanta sy rafitra hafa tsy maintsy mbola hatsangana tahaka ny komitin’ny fampihavanana. Araka ny resaka mandeha ihany dia efa misy any ambadimbadika any ny fifampiresahana an-telefaonina sy fihaonana mivantana mihitsy amin’ireo iraky ny fitondrana tetezamita sy ny milaza fa solontenan’ny mpanohitra hifampiraharahana ny amin’ny mety hidiran’ireto farany ao anatin’ny samboben’ny tetezamita.
Araka ny feo mandeha ihany dia mety hisy atsy ho atsy ny fiantsoan’ny fitondrana tetezamita mivantana ny Profesora Zafy Albert mba hifanome tanana aminy amin’ny famahana ny krizy, satria moa efa tsy hita tabilao ireo filoha teo aloha izay mbola tavela any ivelany any hatramin’izao. Ireo mpikambana sasany ao amin’ny ankolafy Zafy ihany koa, araka ny efa notaterina teto ihany dia efa manomboka miova fomba fijery ka milaza indray fa tsy maika ny fiverenan-dRavalomanana eto fa ny hamitana ny tetezamita aloha no tokony ho laharampahamehana. Tsy any ivelany ihany no manao hetsika goavana ho fandresen-dahatra ny fitondrana tetezamita fa eto an-toerana ihany koa, ary ny Ankolafy 3 no tena hifantohan’io hetsika io. Izay aloha ny resaka mandeha ka ho hita eo ato anatin’ny herinandro ny mety ho fiovan’ny toe-draharaha sy ny zavatra hambaran’ny SADC amin’ny zoma ho avy izao ? Mifampiankina avokoa anefa ny zava-nitranga rehetra hatramin’izay fa tsy hisy mihitsy ny fahagagana tsy akory, hoy ny mpandinika ny tontolo politika iray.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.