Politique

Miady an-trano ny FAT Nanaovan’i Kaleta sy Voninahitsy angaredona i Roland Ratsiraka


  • Alarobia 20 Aprily 2011

Mifanenjika an-toerana ireo mpanao politika fanta-daza ao anatin’izao fitondrana FAT izao.

Mahatsiaro tena ho tohina tamin’ny fanambarana nataon’i Roland Ratsiraka farany teo izay mitaky ny fametraham-pialan’ireo rehetra mikasa hilatsaka hofidiana filoham-pirenena mba hampadio izany fifidianana izany ry Kaleta sy Voninahitsy. Tena nampihetsika ny tambavin’ireto farany mihitsy ny filazan’ny filohan’ny MTS tamin’io fotoana io fa tokony hiala koa ny minisitry ny atitany, Rakotoarisoa Florent noho izy niseho vahoaka teo anilan’ny vondrona “Les AS” izay nanolotra azy ho anisan’ny mpikambana ao anaty governemanta ankoatra ny fanambarana fa tsy mendrika ny toerana sahaniny koa ity farany satria mpitsara ny tenany fa tsy administratera sivily akory. Henjana ny valin-kafatra avy amin’i Voninahitsy izay nilaza fa ny fandaminana ny raharahan’ny Air Madagascar miaraka amin’ny minisitry fitaterana avy amin’ny MTS no tokony hataon’i Roland Ratsiraka raha hendry izy.

Nisy mihitsy aza filazana fa ratsy vintana ity filohan’ny MTS ity matoa mikorontana ny orinasa Malagasy raha vao nidirany sy ny olony. Niaro mafy ny minisitry ny atitany koa i Kaleta nanamafy fa olona mahitsy tsy matahotra ny hametra-pialana i Florent Rakotoarisoa rehefa tsy mifanaraka amin’ny sainy ny iraka ampanaovina azy izay isan’ny nahatonga azy hametra-pialana tamin’ny toerana naha masoivoho tany Canada azy. Izy rahateo efa nanao fanambarana ombieny ombieny fa tsy hanaiky hatao fitaovana mihitsy, hoy i Kaleta.

Tsy nanadino namely an’i Roland Ratsiraka koa anefa ity ary sahy nilaza fa tsy ho lany filoham-pirenena izany ity zana-drahalahin’ny amiraly ity ary tsy tafakatra amin’ny fihodinana faharoa akory aza. Vao manomboka ity lazaina fa fiaraha-mitantana ity dia efa mifanipaka toa valala an-karona ireo samy mpanohana izao FAT izao, mainka fa raha antomotra ny fifidianana tsy ho toy ireny mpiady an-tsena ireny !

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT