"Manameloka tanteraka ny famonjana ireo mpitarika telo mianadahy avy ao amin’ny Antoko TIM Antsirabe ny Antoko MFM faritra Vakinankaratra".
Fantatra io tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo tamin’ny alalan’Atoa Razafimahatratra Marcel mpikambana ao amin’ny birao foibe sady tompon’andraikitry ny fandrindrana eto Vakinankaratra. Toherin’izy ireo ny tsy fahafahana maneho hevitra satria matoa, hoy izy ireo miely ny trakta, na iza na iza manely azy dia taratry ny fahafahana maneho hevitra izany ary ny fisamborana olona dia tsy fahazakana demokrasia kanefa dia izany no nolazaina sy nodradradradraina fa hapetraka eto Madagasikara ka nitakiana ilay fanovana. Raha afaka miteny malalaka ny mpanao politika izay tsy miara-dia amin’ny FAT, hoy izy dia azo iadian-kevitra ny zavatra lazainy ary tompon’andraikitra feno izay miteny. Nomarihany ihany koa fa ao anaty fitondrana tetezamita hoy ity mpitarika ity dia tsy misy izany mpanohitra izany satria tsy mbola mipetraka ny rafitra ara-dalàna fa i Andry Rajoelina no efa manangan-tena ho mpitondra sahady ka mamorona mpanohitra ho azy.
Ny tsapa anefa dia izay maneho hevitra mifanohitra amin’ny FAT dia any am-ponja hatrany. Izany ve no tena atao hoe demokrasia ? Naneho ny fahitany ny raharaham-pirenena ihany koa ity mpitarika MFM ity ka nilazany fa dia iniana asavoritaka ny eto Madagasikara ary raha ny fahitany an’ingahy Dr Simao dia mpikarama an’ady avy amin’ny Frantsay ka mivadibadika hatrany ary ireo antoko mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina ihany no mendimendy amin’ny fanasoniavana ny vakiraokan’ingahy Simao satria ny seza no mahamaika azy ireo. Tsy hisy filaminana eto araka ny filazany raha tsy mitoetra ny fiaraha-mitantana ka dia ankasitrahany tanteraka ny fehin-kevitra nataon’ny ankolafy telo teny amin’ny toeram-ponenan’ny filoha Zafy Albert farany teo amin’ny fandrafetana sori-dalana vaovao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.