Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy “Tsy manana zo hanao hadisoana ny SADC !”


  • Talata 07 Jona 2011

Manao ranolava ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena mikasika ny fihaonana tanterahina any Gaborone, hamaranana ny krizy eto Madagasikara.

 Ho an’ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpandritra ny Tiako I Madagasikara sady mpiara-mitarika ny ankolafy Ravalomanana Toamasina I dia tsy maintsy mahita vahaolana hamoahana ny firenena ao anatin’izay krizy roa taona mahery mampitondra fahoriana ny vahoaka Malagasy ireo mpanao politika voaasa any Gaborone. “Tsy manana zo hanao hadisoana intsony koa ny Sadc, satria dingana farany amin’ny famahana ny olana Malagasy izy ity. Noho izany tsy maintsy misy zavatra tapaka eo, io no lazaiko foana fa aleo fifanarahana tsizarizary mitondra fitoniana, toy izay fitsarana tsy misy tomika nefa hitondra romoromo tsy mety vita”, hoy Rasamimaka. Aminy dia mpanao politika manana ny fitiavana tanindrazana ireo lasa any ireo, na eo aza ny hambom-po politika amin’ny maha antoko politika na vondrona politika misy azy ireo.

Izy ireo koa tsy maintsy hijery ny hoavy politikany atsy ho atsy, ka noho izay dia tsy maintsy hametraka ny fomba fijeriny sy izay marimaritra iraisana hamahana ny krizy izy ireo, satria hijery azy ireo ny vahoaka. Ho lehilahy izy ireo hiverina an-tanindrazana nefa tsy nahita ny fomba hamahana ny krizy, efa niarahana nahita rahateo ireny nitranga teny Ivato teo am-piaingana ho an’i Gaborone ireny. “Mila manana finoana koa isika amin’ny zavatra tahaka izao; raha izaho, manana finoana aho fa hisy vahaolana ho hita any, ho meloka eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy izay mitsipaka izany sy hody maina tsy hifanaraka. Tsy hanary vola be ohatra izao mantsy ny Sadc sy ny mpanohana azy raha tsy ho hisy ny zavatra ho tapaka sy famahana ny krizy”, hoy Rasamimaka Mahefalahy.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT