Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy “Ratsirahonana no manao ny zava-drehetra”


  • Talata 15 Martsa 2011

Taorian’ny fanaovan-tsonia an’iny sori-dalana nambara fa an’ny SADC iny, dia nilaza ny heviny sy ny fahitany ny zava-misy ary nanadihady ireo nambaran’ireo mpanao politika tato ho ato ny mpanao politika sasany. Anisan’izany ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ao Toamasina, no mpandrindra ny antoko TIM ihany koa ary mpiara-mitantana ny ankolafy telo any an-toerana.

Tia Tanindrazana (TT) : Manan-kambara amin’iny sori-dalan’ny SADC iny ve ianao ?

Me Rasamimaka (Me Mahefa) : Tsy haiko aloha na tena an’ny Dr Simao iny na tsia fa raha ny fanazavana ara-politika sy ny resaka nifanaovan’Atoa Ratsirahonana sy Andriamiseza dia izy mianaka ireo no samy nifofotra sy nitana penina ary nandrafitra hatramin’ny ora farany iny sori-dalana nambara fa an’ny SADC iny. Raha izay voalaza izay dia midika izany fa sori-dalan’ny FAT ihany iny, fa notambazana angamba ingahy Simao nilaza fa sori-dalan’ny SADC iny. Tsy manan-jo amin’izany anefa izy amin’ny maha mpanelanelana azy, tsy noraisiny koa ireo fanovana sy fanitsiana nataon’ny ankolafy hafa indrindra ny ankolafy Ravalomanana.

 

TT: Olana izany sa vahaolana iny sori-dalana iny ?

Me Mahefa : Inona no vahaolana amin’izany ? Ny anay ankolafy Ravalomanana tsy misy zavatra maro hifandaminana fa ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto, ny filaminan’ny fiainam-bahoaka ary ny fifidianana mangarahara sy ahafahan’ny besinimaro milatsaka no tena zava-dehibe.

 

TT : Ho avy ny praiministra, iza ary no tokony ho eo ?

Me Mahefa : Raha ilay sori-dalana Simao/FAT araka ny nambaran’ingahy Ratsirahonana sy Andriamiseza azy iny, dia tokony ho ny mpanohitra tsy ao anaty firehana Rajoelina na ireo manodidina azy mody mpanohitra sy milaza olon’ny Ankolafy telo ireo no eo. Tsy manahy io na avy amin’ny ankolafy Ratsiraka na ankolafy Zafy, fa tokony ho avy amin’ny ankolafy Ravalomanana mahazo fankatoavana avy amin’Atoa Marc Ravalomanana no ho praministra vaovao eo.

 

TT : Nanao ahoana ny mpiara-mitolona aminao nahita ireny teny Ivato ireny ?

Me Mahefa : Nampisy fisalasalana sy fanahiana ary fahakiviana teo amin’ny mpikambana sasany ihany ilay izy, fa raha nisy moa ny fanazavana sy ny fifampiresahana, dia takatr’izy ireo ihany ny tena zava-nisy marina.

 
Nangonin-dRakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT