Politique

Me Rasamimaka Mahefalahy «Fa tena olon-dratsy mihitsy angaha Ravalomanana ?»


  • Alatsinainy 07 Febroary 2011

Manao ranolava ny fanehoan-kevitra niposaka taorian’ny namoahan’ny Dr Simao sori-dalana heveriny hivoahana amin’ny krizy.

Naneho ny heviny mikasika azy iny ny Me Rasamimaka Mahefalahy (Mahefa), araka ny resaka nifanaovan’ny Tia tanindrazana taminy, sy mikasika ny raharaha ara-politika sy sosialy eto amintsika.

Tia Tanindrazana (TT) : Voatonona ho mpanakorontana tao anatin’ilay raharaha posy ny 17 janoary ianao, inona no azonao ambara ?

Mahefa : Tsy hitako mihitsy izay hidirako tamin’izany raharaha izany. Tany am-piangonana namonjy fivoriana ny tenako, tamin’ny fotoana nisian’ny sakoroka. Amiko dia fanasoketana fotsiny izany, ary tsy vao androany io fa efa ela. Voaray koa ny hafatra nataon’iny olom-boatendry iny ka hodinihina tsara manomboka izao.

 

TT : 2.000 ariary kilaon’ny fotsimbary ankehitriny. Mikaikaika ny vahoaka. Ny hevitrao ?

Mahefa : Aiza ilay vary 500 ariary nolazaina teny an-kianja fa hitan’ny FAT, izay nanasoketana fa mivarotra vary lafo be ny filoha Ravalomanana raha namarotra ny vary 700Ar tamin’ny tena sahirana sy 900Ar teny an-tsena roa taona lasa izay ? Manahy ny mbola hiakaran’io ho ambony aza aho, efa mananiky ny 2.200 ariary mantsy io vary io raha miala 15km an’i Toamasina tampon-tanàna fotsiny.

 

TT : Misy ilay sori-dalana nataon’ny Dr Simao, manan-kambara momba azy iny ve ianao ?

Mafeha : Gaga aho ary nanontany tena koa hoe : tena ny Dr Simao marina ve no nanao azy iny sa efa voavolavola tany ho any, dia nasaina nekeny fotsiny ary natolotra ny mpanao politika Malagasy, hanaovana tian-kano tsy tian-kano ? Raha ny votoatiny dia tsy sori-dalana mpanelanelana mihitsy, fa sorin-dalana mpanao politika manome vahana fahefan’olon-tokana. Tsy iny sori-dalana iny no hampisy fitoniana eto, fa vao mainka hampisavoritaka ny tontolo politika sy sosialy.

TT : Tsy misy mety aminareo izany iny sori-dalana iny ?

Mahefa : Hamafisiko ihany fa tsy mety io sori-dalana io. Raha ny andininy faha-14 monja no jerena, «fa angaha tena olon-dratsy mihitsy Ravalomanana no asaina manao fanekena fa tsy hanakorontana mba hiarovana ny fananany sy ny fianakaviany ?». Dia ahoana koa io fahefana avangongo amin’ny filoha tsy voafidim-bahoaka io ? Mila misaina ny Malagasy amin’ny manaraka vao manao zavatra, fa raha manaiky horebirebena amin’ny lainga tsara lahatra lava, dia mbola loza no hitatao amin’ny hoavin’ny taranaka.

 
Nangonin-dRakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT