Me Hanitra Razifamanantsoa miran-tava tanteraka no tazana tao Bel’Air omaly namonjy ny fivoriamben’ny mpitolon’ny ara-dalŕna teny an-toerana ary niaraka tamin’ny mpanao gazety avy any ivelany.
«Mpanao gazety maromaro no nanaraka ny hetsika tamin’ny sabotsy hatrany Afrika Atsimo ary saika hirohotra teto Madagasikara avokoa saingy nahiana ny tsy ahazoan’ny fiaramanidina hitondra azy ireo kerozène aty amintsika noho ny antsojay efa nisy. Efa tamin’ny alarobia aho no tany Afrika Atsimo ary nikarakara ny pitsopitsony rehetra amin’ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana fa tsy nataotao foana tsy akory izany. Efa noeritreretina, hoy izy, ny mety hisian’ny sakantsakana hoe tsy mahazo mandeha amin’ny fiaramanidina ara-dalàna … ka efa nanaovana vinavina maromaro. Efa tena nanana fahavononana tanteraka hody eto Madagasikara ny Filoha Marc Ravalomana fa efa ela ny roa taona nitakian’ny vahoaka ny hiverenany. Ny FAT no nieritreritra hoe lainga izany. Ireo masoivoho avy any ivelany efa nilaza fa tena mety ny hodian’ny Filoha Ravalomanana ahitana marina ny tena heriny ka hanaporofoana fa Malagasy an-tapitrisany maro no miandry azy. Tsy mila famotsoran-keloka izany ny Filoha Ravalomanana satria tsy misy sazy azo ampiharina aminy izany hatreto. Ny an-dry zareo Iraisam-pirenena dia mbola ny satan’i Maputo sy Addis Abeba ihany no manan-kery raha tsy misy fifanarahana vaovao vita sonia. N’inona zava-mitranga tsy maintsy atrehana fa isika tsy maintsy mitambatra”, hoy ity mpisolovavan’Atoa Ravalomanana ity.
“Mendrika halain-tahaka ny ohatra nomen’ny Me Hanitra”, hoy Atoa Rolland Ravatomanga, “fa na dia nilan’ny FIS sy ny “Police de Frontière” ary ny Zandarin’Ivato antsojay aza izy dia nitsangana hatramin’ny farany. Avelao hirotsaka izay te hirotsaka na voararan’ny lalàna iraisam-pirenena aza fa ny vato no hitsara fa mbola mamim-bahoaka ny Filoha Marc Ravalomanana”, hoy hatrany ity Senateran’i Bongolava sady mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny Tiako I Madagasikara ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.