Politique

Me Hanitra Rakotomavo Razafimanantsoa Niharan’ny antsojain’ny FAT


  • Alatsinainy 21 Febroary 2011

Iray amin’ireo Malagasy tokony ho niray fiaramanidina tamin’ny filoha Marc Ravalomanana niainga avy atsy Johannesbourg Afrika Atsimo ny Me Hanitra Razafimanantsoa, mpisolovava an’Atoa Ravalomanana.

Raha nosakanan’ny FAT tamin’ny fomba rehetra ny fahatongavan’ity farany dia afaka nandray ny fiaramanidina an’ny kaompania Airlink tokony handehanany ny Me Hanitra sy olona hafa, nisy mpanao gazety vahiny, nanaraka akaiky iny vaovao lehibe iny. Nony nigadona teny Ivato ary nidina tamin’ny fiaramanidina anefa dia notsenaina tamin’ny fiaran’ny ADEMA ary nentina tany amin’ny BANI ny mpandeha fito teo, ka anisany ity mpisolovava an’Atoa Ravalomanana ity. Araka ny fantatra dia nosavaina ny entan’izy ireo sao misy zavatra mampiahiahy. Rehefa tsy nahitana inona dia navela nandeha.

Nanazava ny zava-nisy tamin’ny mpanao gazety izy avy eo (ny tany Afrika Atsimo sy ny tetsy Ivato) ary nanambara mazava koa fa « ilay lazaina fa didy navoaka mikasika ny raharaha 7 febroary ka nanasaziana ny Filoha Ravalomanana dia tsy mbola didy raikitra satria manan-jo hanao fanoherana an’iny sy hanao fandravana na «cassation» iny izy ka fitsarana tsy vita tanteraka iny». Ho an’ny mpandinika dia antsojay tsotra izao ity niseho ity.

Mazava mantsy fa matoa ny Me Razafimanantsoa Hanitra afaka niondrana tamin’ny fiaramanidin’ny kaompania Airlink avy any Afrika Atsimo dia tsy voakasik’ilay NOTAM navoakan’ny ACM izy, ary tsy misy mampiahiahy ny aminy, saingy te hanaporofo ny FAT fa any aminy ny fahefana ary endrika iray isehoan’izany ity nihatra tamin’ny mpisolovava an’Atoa Ravalomanana ity.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT