Mihevita ny vovonana Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny MDM fa mety hiteraka krizy vaovao hafa indray ny fanatontosana ireo karazana fifidianana eto amin’ny firenena raha atao an-kamehana sy tsy am-piheverana tsara.
Nandritra ny fiantsoana mpanao gazety notontosain’ny mpikambana teny Maibahoaka Ivato no nahafantarana izany ny faran’ny herinandro teo. Ho an’ny MDM dia ny fanatanterahana ny fifidianana malalaka, eken’ny rehetra, tsy an-kamehana ary eo ambany fanaraha-mason’ny vondrona iraisam-pirenena sy ny eto an-toerana no hahafahantsika miditra am-pahatoniana mankany amin’ny Repoblika Faha-4 hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy. Na izany aza anefa, nanambara ny mpikambana fa tsy manohitra ny hanatontosana ny fifidianana amin’ity taona 2011 ity raha toa ka tontosa am-pilaminana avokoa ny fanomanana rehetra izay miainga any amin’ny fanisana ireo olom-pirenena feno 18 taona isam-pokontany ka hatramin’ny fanontana ny kara-pifidianana.
Tsy latsa-danja amin’izany ireo kipitsony madinika ara-teknika maro samihafa izay ilana fotoana be tokoa, hoy ihany ny MDM ka tsy tokony hihazakazahana. Nanambara ihany koa ireo mpikambana eo anivon’ity vovonana ity fa tokony hitarina amin’ireo karazana andrim-panjakana hafa toy ny CST, ny CT, ny CENI ary ny CFM izay tsy ananan’ny MDM solontena, ny fisokafana efa natao tamin’ny governemanta ankehitriny. Mbola nanamafy moa ny MDM fa vonona hatrany amin’ny fifampidinihana amin’ireo vondrona politika malagasy izy ireo mba hahafahana mivoaka amin’izao krizy lalovan’ny firenena izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.