Politique

Marc Ravalomanana «Tsy miomana akory isika, dia efa misy mipararetra»


  • Alatsinainy 02 Mey 2011

Niditra nivantana an-tariby, niainga avy any Afrika Atsimo, ny filoha Ravalomanana ny sabotsy 30 aprily teo nandritra ny hetsiky ny ankolafy telo tao Behoririka, hetsika noraisin’ny Tiako i Madagasikara Analamanga an-tanana ny fikarakarana azy.

 Io no fidirana nivantana voalohany nataony taorian’ny fetin’ny Paska 2011. Ny zoma 22 aprily, sady zoma masina rahateo no nandrenesana azy farany. Manaiky ny tenany fa fifidianana malalaka sy eken’ny rehetra ary eo ambany fanaraha-mason’izao tontolo izao, no vahaolana politika hamaranana ny krizy. Tsy hisy ary tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy avoaka avokoa ireo gadra politika ary dia mihaona, mifampiresaka ary miara-midinika ny samy Malagasy fa tsy vitavita ho azy amina sori-dalana natao petatoko, tsy nifanarahan’ny rehetra akory. «Tsy hisy krizy hivaha raha ho teren-ko masaka amin’ny septambra izany ny fifidianana. Ary tsy io fitondrana tsy ara-dalàna io no hikarakara izany fifidianana izany», hoy Ravalomanana. Nambarany fa manalabara-batana ireo mihevitra fa ny fidirana anatin’ireo rafitra najoron’izao fitondrana tsy ara-dalàna izao, no hamaha ny krizy.

Nahitsy kosa aza ny teniny nilaza fa mitonantonana ireo izay nisintaka taminy, ka niara-dia amin’ny FAT ary mandeha mitety ireo firenena mikambana amin’ny SADC, mba hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena. Hentitra ny filoha Marc Ravalomanana tamin’io nilaza fa tsy maintsy miverina an-tanindrazana ny tenany, ary nanamafy fa ho kandida amin’ny fifidianana ho avy ary vonona hanaiky izay vokatry ny latsa-bato eo. «Manana faharetana, fa ho hitanareo ny vokany amin’ny herinandro», araka ny nambarany. Karazan’ny fihantsiana amin’ireo mpifanandrina politika aminy ihany no nataon’ i Dada mikasika izay fifidianana izay ka nilazany tamin’ireo mpomba azy fa «tsy mbola miomana akory isika dia efa misy mipararetra sahady ! Aiza izany rehefa raikitra tokoa ny fampielezan-kevitra.».

Ankoatra izay dia nanao fampitam-baovao i Dada nilaza fa manomana fatratra ny fivoriana an-tampony tsy ara-potoana hatao amin’ny 20 mey ny SADC, izay ahitana firenena miisa 15 mikambana ao aminy, ka anisan’izany i Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT