Niditra mivantana tao amin’ny foiben’ny ankolafy Ravalomanana sady toeram-pivorian’ny mpanohitra ny FAT omaly antoandro Atoa Marc Ravalomanana.
. Nandritra izany antso an-telefaonina nataony avy any Afrika Atsimo izany no nanamafisany indray sy nanambarany tamin’ny fomba hentitra sy mazava fa tsy maintsy hody an-tanindrazana tsy ho ela izy ary tsy maintsy hivoaka ho mpandresy. Nambarany fa tsy hijanona any an-tsesitany maharitra intsony ny tenany sy ny fianakaviany fa tsy maintsy hiverina eto Madagasikara. Nampatsiahy Atoa Ravalomanana fa filoham-pirenena lanim-bahoaka tamin’ny fifidianana demokratika in-droa miantoana tamin’ny 2001 sy 2006 ny tenany ary mahafantatra tsara izany ny eto Madagasikara sy ny sehatra iraisam-pirenena.
Raha ny Sadc manokana dia mahalala tsara fa mbola mamim-bahoaka eto amin’ny tanindrazany i Dada ary tsy mandà mihitsy ny tokony hodiany ato ho ato ity fikambanana ity raha ny fanambaran’ny filoha teo aloha omaly ihany. Nahitsy ihany koa ny fanambaran’i Marc Ravalomanana fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo ny tenany ary hanao izay rehetra azo atao mba hanaporofoana fa mbola ankafizin’ny vahoaka Malagasy izy. Be no efa vita, maro no asa mbola miandry ary nilaza ny vonona hifanome tanana sy hifanampy amin’ny vahoaka Malagasy i Marc Ravalomanana. Mikasika ny fivoriana tany Gaborone kosa dia nambarany fa tsy nisy sonia natao mihitsy tany. Matoky ny fanapahan-kevitra hendry avoakan’ny Sadc amin’ny sabotsy ho avy izao aho, hoy i Marc Ravalomanana ary manentana ny rehetra mba ho tony sy hilamina. Naverimberiny indray fa tsy maintsy ho tanteraka ilay hoe : “aza matahotra minoa fotsiny ihany”, araka ny voasoratra ao amin’ny Filazantsaran’i Marka toko faha-5, andininy faha-36 tapany b, izay teny filamatra nahafantaran’ny Malagasy azy efa ho 25 taona katroka izao.
Raha io fanambarana omaly io izany no raisina dia mazava ny resaka fa tsy maintsy ho avy eto Madagasikara ato ho ato ary tsy maintsy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay mahafantatra tsara ny dingana rehetra tsy maintsy arahana hahatongavana amin’izany, na ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io na ny eto an-toerana. Araka ny tsiliantsofina re ihany koa dia mety ho tafiditra ao anatin’ny fehin-kevitra avoakan’ny vondrona Sadc ny sabotsy ho avy izao any Sandton Afrika Atsimo ny hamelàna malalaka an’Atoa Ravalomanana hody eto Madagasikara sy ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ary hifaninana sy hifampitana mivantana amin’i Andry Rajoelina mba ahitana ny tena marina sy ny safidin’ny vahoaka Malagasy. Anisan’ny tazana teny Bel’Air tamin’io omaly io ny depiote TIM voafidy teto an-drenivohitra teo aloha Atoa Jules Randriamaholison sy Mamitiana Ravelonanosy ary ny solontenan’ny tokobe Telo Sazalahy Tsianihy sy solontena maro avy any amin’ny Faritra izay manohana ny hetsiky ny ankolafy 3.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.