Politique

Marc Ravalomanana tao Toamasina «Efa ho avy ny fotoana hihaonantsika»


  • Alatsinainy 24 Janoary 2011

Ny sabotsy 22 janoary teo no nanao ny Fetiben’ny fifankatiavana, nifampiarahaba noho ny taona vaovao, ny Tiako I Madagasikara niaraka tamin’ny ankolafy Ravalomanana sampana Toamasina.

Tao amin’ny tokotany malalaky ny CEG Radama I no natao ny lanonana. Nangorom-potsy ny kianja niarahana nifety, be ny fanantenana ho an’ireto mpitolona amin’ny hiverenan’ny ara-dalàna ireto. Nitafa mivantana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avy any Afrika Atsimo ho an’ireo mpiara-mitolona aminy, ny filoha Marc Ravalomanana. Naharitra dimy minitra teo ny resaka ka nampitany hafatra sy nilazany fa «efa ho avy ny fotoana hihaonantsika. Tsy manadino an’i Toamasina aho, Toamasina izay teo an-dalam-pametrahana azy ho tena kapitaly ekonomika, nefa nisy nisompatra noho ny fialonana sy tsy fitiavana manokana». Mbola nohamafisiny hatrany fa «efa hifarana ity krizy ity ary tsy maintsy mipetraka ny ara-dalàna, araka ny fifandaminana hitranga eo”. “Reseo ny hakiviana”, hoy izy, fa “mila mitraka hatrany isika, ary maniry ny tsy hisamatsamahan’ny TIM, fa ny miasa miaraka ihany no fahombiazana». Nentaniny hampitsahatra ny olana anatiny ny TIM, «mampalemy ny tolona ato ny lonilony samy isika. Asehoy fa matotra isika amin’ny teny natao ary mitazona izany hatramin’ny farany», hoy Atoa Marc Ravalomanana.

Nifanotrona tamin’ity fety ity ny TIM, ny Teza, ny MFM, ary ireo fikambanana hafa ao amin’ny ankolafy Ravalomanana Toamasina. «Mbola indreto isika, ny marina tsy maty ary ny ara-dàlana tsy maintsy mipetraka», hoy Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra rejionalin’ny ankolafy Ravalomanana. Atoa Robertson (Solamena), mpandrindra ny TIM distrikan’i Toamasina I, kosa dia nanizingizina fa «mbola velona sy miaina ary manana ny mpanara-dia azy maro ny TIM, toraka izany ny ankolafy Ravalomanana ».

Ny MFM Toamasina nosolointenan’Atoa Rangitason, indray dia nahitsy sy tsy niova amin’ny fomba fitenin’ny «Mafana», ka nilazany fa «efa very lalana ka hatahorana ho rendrika ny sambo. Mila kapiteny tena mahay hanavotra azy, efa loza mihatra ny ho tohin’ny dian’ny sambo noho ny ‘radar’ sy ny ‘boussole’ nosimbana sy niniana nariana». «Ny mitabe no tsy lanin’ny mamba, mila mailo ary mitazona ny teny nomena sy toky natao hatrizay isika, dia handresy ny tolona izay efa kely sisa», hoy i Mamitiana Fabergé izay nisolotena ny birao nasionalin’ny TIM niaraka tamin’ny mpandrindra nasionalin’ny Tanora TIM, Andriamandavy VII Riana, tonga nandritra ny fety be tao Toamasina, raha namarana ny hafatra sy fanentanana ny vahoaka sy ny mpiara-mitolona amin’izy ireo.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT