Politique

Marc Ravalomanana tao Moramanga “Tsy ny rehetra no afaka mitondra firenena, fa izay ankasitrahan’ny Vahoaka”


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011

Vahoaka marobe no tonga tao amin’ny Hangar Tiko tao Moramanga ny sabotsy 29 janoary lasa teo. Hetsika notontosain’ny Vondron’Olon-tsotra manohana ny Filoha Ravalomanana izy ity ary ny Gasy Tia Tanindrazana na GTT no nandrindra izany.

Tsy ny Tiako I Madagasikara ihany na ny ankolafy Ravalomanana fotsiny no tonga tao fa ny vahoaka manontolo sy ny avy amin’ireo Distrika manodidina izay nandefa solontena tao, toy ny avy any Anosibe An’Ala sy Mahanoro, manohana ny foto-kevitra ijoroan’ny Filoha Ravalomanana sy manaiky ny maha-Filohan’ny firenena malagasy azy. Misy koa ireo latsa-panenenana amin’ny ataon’ny FAT no tonga tao mitady ny tena vaovao marina ary vonona ny hiova hevitra hanamafy ny tolom-panafahana ny Malagasy amin’izao fanjanahana amin’ny endriny vaovao izao.

Nambaran’ireo solontenan’ny Vondron’olon-tsotra fa tsy firehana na antoko politika akory izy ireo fa vondrona ikambanan’ireo tia tanindrazana rehetra, vonona hitolona sy haneho amin’ny vahoaka tsy an-kanavaka, indrindra ireo any ambany ravinkazo ny tena zava-nisy marina teto Madagasikara ka nahatonga izao krizy mahery vaika izao. Voarakitra anaty boky “Minoa Anatra” moa ireo zava-marina rehetra sy ny porofo fa asan-jiolahy sy fanonganam-panjakana no nisy teto ary mbola iainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Voahitsakitsaka ny zon’olombelona sy ny demokrasia, ary didin’ny be sandry no iainana, satria izay rehetra milaza ny marina dia fofoina avokoa. Koa tsy misy, hoy ireo nandray fitenenana rehetra ny zavatra azo atao sy ho tanteraka raha tsy tafaverina eto an-tanindrazana ny Filoha Marc Ravalomanana, ka hiverina ny fiandrianam-pirenena sy ny fisian’ny fandrindram-pihavanana. Raiamandrenin’ny Malagasy rehetra izy, koa afaka ny manohana azy ny rehetra.

Hararaotin’ny sasany

Horakora-pifaliana sy tehaka moa no nandraisan’ny vahoaka ny Filoha Marc Ravalomanana raha vao tafiditra an-tariby izy niarahaba ny vahoakan’i Mangoro nahatratra ny taona vaovao 2011 sy nirariany mba ho taona ahitan’ny Malagasy fahafahana, vokatra ary rariny ity taona vaovao ity ka hiverina ny ara-dalàna. Nambarany koa fa manana ny fitiavana hampandrosoana ny Malagasy haingana izy, satria amin’ny Filoha Marc Ravalomanana, dia tsy izay mpanao politika rehetra akory dia afaka mitondra firenena, fa izay ankasitrahan’ny vahoaka ihany. Tsy misy, hoy ihany izy, firenena mandroso raha tsy milamina ny tany sy mirindra ny fiainam-bahoaka. Koa raha mbola misy ny fampitahorana amin’ny endriny rehetra, sy ny fanagadrana tsy misy farany ary ny famonoana mihitsy aza dia tsy hisy izany fandrosoana izany ary ho sarotra ny fifampidinihana.

Nanome sori-dalana sy toromarika ary fampanantenana moa ny tenany, ka nilazany ny fanamafisana ny tolona ary ny fitarihana sy fanazavana ny vahoaka ny zava-misy sy marina. Tokony hahalala ny lalan-kizorana koa ny tsirairay, hoy izy. Iza no mpitarika sy mitondra ary mitondra mankaiza ? Mankany amin’ny filaminana sy fampandrosoana ve ? Ary farany ny fahafantarana na ara-dalàna izay mitondra na tsia.

Nilaza ny Filoha Ravalomanana ary nitsotra fa menatra ny namana mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola ny tenany, noho ny ady seza, ny fankahalana ary ny fangoronan-karena ataon’ireo mpitondra FAT. Notsahiviny tamin’izao fidirana mivantana tany Moramanga izao koa fa i Madagasikara dia manana ny toerany sy lanjany noho izy tetezana mampitohy an’i Afrika sy ny kaontinanta hafa amin’i Azia, koa dia izay no hararaotin’ny sasany hanakorontanana sy hitadiavany izay hahasoa ny tenany mialoha ny vahoaka. Fa tsy hadinony ny tantsaha Malagasy, ka nilazany fa raha tsy mbola afa-mamokatra ny tantsaha dia sarotra ny ahitana fampandrosoana. Ny ankizy koa dia tokony hianatra daholo. Tsy niolaka koa ny Filoha nilaza fa manana hevitra sy fifandraisana amin’ny firenena maro izy ka ho hita eo izay fomba hampandrosoana ny Malagasy. Teo am-pamaranana, dia nilaza ny Filoha Ravalomanana Marc, fa tsy maintsy hovitaina ny fandrindram-pihavanana ny samy Malagasy sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT