Politique

Marc Ravalomanana tao Ambatondrazaka Niantso ny malagasy haneho ny tena fitiavan-tanindrazana


  • Talata 01 Febroary 2011

Hentitra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nitafa mivantana tamin’ny vahoaka tao Ambatondrazaka ny alahady tolakanadro teo.

Raha misy hetsika, raha misy porofo hitanareo aza misalasala fa ny marina tsy mba maty, hoy izy koa aza misalasala mampiseho ny tena fitiavana ny tanindrazana. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny mponina Ambatondrazaka sy ny manodidina io teniny io. Nambarany fa mandalo fisedrana ny firenena amin’izao fotoana izao koa notolorany fisaorana manokana ireo Ray aman-dreny am-panahy izay mitrotro am-bavaka ity firenena ity. Manana faharetana isika, hoy izy, fa Andriamanitra mahalala izay hitondrana ny firenentsika.

Nampihetsi-po ireo olona tonga nanatrika ny fifampirarian-tsoa nataon’ireo Vondron’olon-tsotra tao amin’ny Akany Fitiavana Avaradrova Ambatondrazaka io fidirana mivantana an-telefaonina nataon’Atoa Marc Ravalomanana io, indrindra ny nilazany fa ho laharampahamehany ny fitsidihana an’Ambatondrazaka rehefa tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara izy ary ny olon-tsotra no ilainy fa tsy izay mpanao politika milaza ho malaza rehetra izao. Nisy ny solontenan’ny tangalamena naneho fisaorana an’Atoa Marc Ravalomanana ka nanambara ny fahavononan’ny olon-tsotra any Alaotra hanilika ny mpanongam-panjakana. Nifandimby niditra an-telefaonina tamin’io fotoana io ihany koa ny mpitarika GTT International Gilbert Rasolofoniaina Darsot sy ny GTT any Marseille ary ny filohan’ny TIM Eoropa, Patricia Lehmann. Fiaraha-mikorana no namaranana ny fotoana tamin’io alahady io.

 
Niry R. (Ambatondrazaka)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT