Nitondra fanazavana mikasika ny zava-nitranga teo Ambohitsorohitra ny sabotsy 07 febroary 2009 Atoa Marc Ravalomanana, omaly, raha niditra nivantana an-tariby tao amin’ny Magro Behoririka nandritra ny hetsika mitaky ny hamerenana ny ara-dalŕna eto Madagasikara.
Tamin’izany no nanambarany tamin’ny teny fohy nefa hentitra fa “sady tsy nampamono no tsy namono” ny tenany. Toa valin-kafatra ihany tamin’ny kabarin’i Andry Rajoelina tao Ambohitsorohitra omaly izy io. “Fanendrikendrehana avokoa ireny”, hoy Atoa Ravalomanana. “Tsy avy aty amintsika ny heloka. Tsy isika no naniraka na nibaiko ary tsy isika na ny GP no nitifitra fa zavatra efa matipaika ny azy ireo, nomanina tamin’ny 06 febroary 2009, mialoha ny nahatongavana teny (Ambohitsorohitra)”, hoy hatrany izy. Nilaza mazava ny filoha Ravalomanana io omaly io fa “sady tsy nanome baiko no tsy nilaza mihitsy hoe ataovy izay hitifirana ireo olona ireo.
Mazava amin’ny vahoaka Malagasy izany ary fantatr’izao tontolo izao ihany koa”, hoy izy. Nanentana ny Malagasy, indrindra fa ny mpiara-dia aminy, ny tenany tsy hatahotra fa hijoro hatrany amin’ny fitakiana ny famerenana ny ara-dalàna eto, anatin’ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana. Niteny tamim-pahatokiana koa Atoa Ravalomanana fa “tsy atahorana mihitsy na ny kely aza izay fanendrikendrehana na hoe fanagadrana satria tsy marina izany”.
Nasiany resaka ihany koa ny amin’ilay sori-dalan’ny Dr Leonardo Simao niteraka resabe teo amin’ny tontolo politika teto an-toerana. Nilaza Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny mpiara-dia aminy mba tsy hatahotra na ho be fanahiana manoloana ireny. “Hevero ho toy ny tsy misy akory izany”, hoy izy. Nandritra izany no nanamafisany indray fa tsy maintsy ho tonga ny fotoana hihaonany amin’ny Malagasy, ary “tsy ho ela” izany. Rehefa izay dia hatao izay hampibaribary ny marina, hoy izy, ka nankasitrahany ireo mpitondra fivavahana izay tsy mikely aina manao izay hampanjakana ny fahamarinana eto. Efa mazava rahateo izao ny marina rehetra nitranga tamin’ny 2009 ireny ary efa mazava ny nanao azy sy ny zavatra nokotrehin’izy ireo teto, hoy izy namarana ny teniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.