Politique

Marc Ravalomanana «Sabotsy mifankahita»


  • Zoma 18 Febroary 2011

“Ho avy aho !” Teny fohy nefa mahafaoka be no nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana omaly nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nataony niainga avy atsy Afrika Atsimo, ka nampiasana ny teknôlôjia vaovao nahafahana nifankahita imaso sy nifandrenesana ihany koa.

Milaza zavatra maro ny fisian’ity valandresaka ity, izay nahafahan’ny mpanao gazety vahiny maro, tao Afrika Atsimo, sy mpanao gazety malagasy maro sy vahiny ihany koa teto an-toerana, nametraka fanontaniana nivantana manodidina ny fiverenana an-tanindrazan’ity filoha voafidim-bahoaka ary sesitany nandritra ny roa taona tany Afrika Atsimo ity. Taratra tamin’iny fa dia malalaka izy nanao izany, na tany an-tanin’olona aza. Izy rahateo nanamafy fa filoham-pirenena voafidim-bahoaka no andraisan’ny Afrikanina Tatsimo azy. Rehefa izay dia nitondran’ny filoha Ravalomanana valin-teny mazava avokoa ireo fanontaniana manitikitika ny Malagasy sy vahiny maro. Notsiahiviny fa efa nisy fifanarahana vita sy sori-dalana nifanarahana, tany Maputo, Addis Abeba hamahana ny krizy teto, saingy tsy nampiharina izany.

Dia izao no vokatra, potika ny firenena, mahantra fadiranovana ny Vahoaka. Tsy afaka hijery fotsiny izany ny tenako, hoy Atoa Marc Ravalomanana, antony nanapahany hevitra hiverina an-tanindrazana izao. Tsy misy mahavita samirery ity firenena ity, hoy izy, ka ndeha samy hampandefitra ny hambom-po ka hifanome tanana hiara-kikaroka vahaolana. Notsiahiviny fa betsaka ny tombontsoa tokony ho azon’i Madagasikara, nefa very fotsiny noho izao krizy izao, ka mijaly ny vahoaka. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena, rahateo nanamafy, hoy izy, fa tsy hisy fankatoavana iraisam-pierenena ho azo izany eo raha tsy mifanaraka ny samy Malagasy. “Koa ho avy aho, hifampiresaka ankitsim-po isika, tsy hisy valifaty. Misokatra ary vonona hiresaka amin’ny rehetra tenako”, hoy izy. Tamin’izay no nanaovany fanamarihana fa sori-dalan’ny Dr Simao irery no naroson’ity farany taty Madagasikara, fa tsy an’ny SADC.

Na ny teo anivon’ny Vondrona Afrikanina aza tsy nahalala azy iny, araka ny nambarany hatrany fa dia mbola ny iraka nalefany tany Addis Abeba no nahazoan’izy ireo izany sori-dalana izany. Momba ny fiverenany rahampitso sabotsy indray, dia nasehony ho hitan’ny besinimaro nandritra ity valandresaka ity ireo tapakilan’ny fiaramanidina miisa dimy, hanaporofoany fa efa tongotra mby an-dakana ny azy. Araka ny fanazavany hatrany dia nihaona tamin’ireo manampahefana ao Afrika Atsimo, izy omaly, nampahafantarany bebe kokoa ity fiverenany an-tanindrazana ity. Mino sy manantena aho, hoy Atoa Marc Ravalomanana fa hanamora sy hanampy amin’ny hahatontosan’izany izy ireo.

Mandeha moa ny feo fa mety hiray fiaramanidina aminy ny filoha mozambikana teo aloha sady lehiben’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC, Joaquim Chissano. Nivoitra nandrindra io fotoana io koa fa nisy delegasiona avy amin’ny ankolafy Ravalomanana tarihiny niresaka teny amin’ny masoivoho amerikanina, manodidina io fodiany io. Mikasika ny fiarovana azy indray dia antso no natao amin’ny foloalindahy, mba hijoro ho an’ny tanindrazana sy tandroka aron’ny vozona tokoa ity farany. Mikasika ireo resabe amin’ny mety hisamborana azy eto, dia mazava ny tenin’Atoa Ravalomanana, fa tsy nanao ratsy teto amin’ny firenena ny tenany.

Nohararaotiny koa io fotoana io nilazany mazava fa lainga afafy sy fandotoana avokoa ny filazana fa anaovan’ny Afrikanina Tatsimo fanadihadiana manokana izy ary mety hampodiana, sy ny hoe voarohirohy amina trafika zava-mahadomelina. Feno hipoka tao amin’ny efitrano “Roi et Reine”, hotely Carlton nanaovana ity valandresaka ity, ary tazana tao ireo mpanao politika mpitarika ny ankolafy Ravalomanana, nahitana an’i Mamy Rakotoarivelo, Manandafy Rakotonirina, Fetison Rakoto Andrianirina, Rolland Ravatomanga, Rév Ndrianalijohn, Serge Ratovondrainy... samy liana sy te hahazo toky ny amin’ity fiverenan’ny filoha Ravalomanana an-tanindrazana ity. Nanambara moa ny tenany fa dia sabotsy mifankahita !

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT