Politique

Marc Ravalomanana Namelona ny fanantenan’i Manakara


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Niditra an-tariby nivantana, niainga avy atsy Afrika Atsimo, nandritra ny fihaonana nataon’ny Vondron’olon-tsotra manohana an’i Marc Ravalomanana tao Manakara omaly ny filoha Ravalomanana.

 Tsy nampoizin’ny mpivory, izay nahitana solontena avy amin’ny Fokontany 18 ao Manakara, nahitana sefo Fokontany ary tsy nanavahana firehana politika na finoana, ny nahafahan’izy ireo nihaino sy nifampitafa mivantana tamin’ity filoham-pirenena voafidim-bahoaka nisy nanongana tamin-kery teo amin’ny fitondrana ny taona 2009 ity. Nientanentana ny mpivory ary namelona indray ny fanantenana tao ampon’izy ireo ny nandrenesana mivantana ny fampanantenana nataon’ny filoha Ravalomanana fa hiverina izy ary tsy maintsy hotanterahina ireo fampanatenana nataony tamin’ny vahoakan’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany.
 
Tetsy andaniny dia nanentana ny vahoaka hiray hina ny tenany ka ho sahy hijoro hiaro ny marina sy hitaky ny famerenana ny ara-dalàna. Manome toky moa ny mponina nosolointenan’ireto Vondron’olon-tsotra ireto fa hijoro ary hanohana azy hatramin’ny farany. Tsy nampoizin’ny tao Manakara koa ny tafa an-tariby nivantana nataon’i Guy Rivo Randrianarisoa, mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana ary efa PDS-n’ny Kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha, sy ny mpitarika ny Gasy Tia Tianindrazana any Eoropa, Rtoa Patricia Lehmann, tamin’io fotoana io, izay nanome hery ny mpanohana na dia mbola solontena aza ireto tonga ireto. Tao Manakara Be no nanaovana ny fihaonana, ka tanjona tamin’izany ny fifampitana vaovao, ary koa fanamafisana ny serasera hahafantarana ny zava-misy marina eny ifotony hanampiana ny tolona ataon’ny ankolafy telo anatin’izany koa ny Tiako i Madagasikara.
 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT