Politique

Marc Ravalomanana «Mpampihorohoro izao fitondrana izao !»


  • Talata 19 Aprily 2011

Manoloana ny valy bontana nataon’ny filohan’ny FAT momba ny fahitan’ny be kintana ny zava-misy eto amintsika dia nahitsy sady nahery ny valin-kafatra avy amin’ny filoha Ravalomanana.

Diso ny fiezahana handiso ny tatitra voahadihady tsara nataona firenena matanjaka indrindra, ny fandavana ny zavatra natao mba hifikirana eo amin’ny fitondrana dia hadalana. Fanivaivana ireo olona an’arivony izay any am-ponja, tsy mbola voatsara ary niharan’ny herisetra izany, hoy i Marc Ravalomanana. Mahalala ny tena zava-misy marina ny Malagasy, ary mahantatara ihany koa ireo mpanao gazety rehetra any Madagasikara fa mandainga ny mpitantana io fitondrana io ka dia fanamby no omeko azy ireo, dia ny avy ao amin’ny fahitalavi-pirenena, ny TVM, mba hamoaka ity fanambarako ity ary ho tonga hiresaka amiko mivantana. Fantatro anefa fa tsy ho sahy izy ireo satria fantany ny ho vokatr’izany, hoy ihany izy nahitsy. Ny marina, izay sarotra sy manahirana ny mandre azy, dia manjaka ao amin’ny firenenay ny ramatahora ataon’ny fitondrana izay tsy manambola ka voatery mamafy lainga hanamarinan-tena, hoy ihany i Marc Ravalomanana tao anatin’ny taratasy misokatra ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay nataony.

Manoloana izany indrindra dia niantso ny Sadc ny tenany mba handray andraikitra hiverenan’i Madagasikara amin’ny tena ara-dalàna, amin’ny alalan’ny fanaovana fifidianana marina sy tsy mitanila, eo ambany fanaraha-mason’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Manan-jo hifidy izay hitondra azy ny vahoaka Malagasy fa tsy hofitahana, hoy ihany izy. Ankoatra izay moa dia nitodika manokana tamin’ny TVM sy ireo mpanao gazety ao ny tenany raha mitombina tokoa ny filazana fa tsy misy sivana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ity. Fanararaotam-pahefana, sivana, fanitsakitsahana ny zon’olombelona no misy eto, hoy ihany izy tsy nitsitsy fitenenana.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT