Politique

Marc Ravalomanana Miomana amin’ny fifidianana


  • Alatsinainy 07 Martsa 2011

«Ho avy ny fifidianana. Tsy maintsy mandeha amin’ny lalan’ny fifidianana isika, hahafantarana ny safidin’ny vahoaka Malagasy. Eo ny safidintsika no hipetraka, eo no hahitantsika ny marina», hoy ny filoha Marc Ravalomanana raha nitafa nivantana an-tariby niainga avy atsy Afrika Atsimo, nandritra ny hetsiky ny Vondron’olon-tsotra tao Vatomandry izy ny faran’ny herinandro teo.

Raha nihaino ny kabariny dia toa efa azony antoka fa ho isan’ny kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo ny tenany, na mbola anatin’ny fifampidinihana amin’izay handaminana ny krizy aza ny dingana ankehitriny. Nandritra io tafa tao Vatomandry io koa no nampahafantarany ireo mpiara-dia aminy fa nivory niaraka amin’ireo mpamatsy vola ny tenany, ny zoma lasa teo. Nisy ny avy any Norvezy, Japoney ary Afrikanina Tatsimo, araka ny nambarany.

Anisan’ny zavatra noresahina tamin’izany dia ny ny fomba hatao hanampiana ireo tena sahirana sy hanarenana haingana an’i Madagasikara amin’izao fahavoazana ara-toekarena sy ara-tsosialy misy azy ireo. “Manana izany paikady izany isika”, hoy Atoa Marc Ravalomanana ary niantso ny Malagasy, indrindra ireo mpiara-dia aminy mba hanana faharetana na ao anatin’ny fahasahiranana aza. “Fantatro fa tsy manana asa ny ray aman-dreny, tsy mianatra ny ankizy, miakatra avokoa ny zavatra ilaina amin’ny fiainana andavanandro … Mitady ny hevitra rehetra sy ny lalana, ary ny fomba hamoahana an’i Madagasikara amin’izao fahasahiranana diaviny izao aho”, hoy izy. “Mila ny firaisankinantsika rehetra izany. Rehefa miray hina dia mitovy ny hevitra. Ary asehontsika eo mason’izao tontolo izao fa tsy mankasitraka ny fanonganam-panjakana ny Malagasy, fa mampiditra ny firenena anaty fahasahiranana. Tsy mankasitraka ny fitondrana tsy ara-dalàna ny eto Madagasikara, ka mitaky ny hamerenana indray ny lalàmpanorenana”, hoy izy nanohy ny teniny.

Tao anatin’ny tehaka miferodrefotra no nandraisan’ny vahoaka tonga tao Vatomandry izany. Marihina fa nahatonga solontena tamin’ity hetsiky ny Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana ity ny avy any Mahanoro. Nisy, araka izany, ny fijoroana vavolombelona nataona sokajin’olona samihafa, tanora, tantsaha, olom-boafidy, mpiasam-panjakana, vehivavy, raiamandreny am-panahy sy ireo raiamandreny be ao an-tanàna, mikasika ny zava-tsoa vitan’ny fitondrana Ravalomanana izay niantraika nivantana tamin’ny vahoaka, ka mbola anohanan’izy ireo azy. Nanamafy koa ny tany amin’ny faritra MAVAM ireto fa tsy an’Antananarivo irery ny tolona hanafahana ny tanindrazana fa an’ny Malagasy rehetra ka mitaky firaisankina sy fihavanana.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT