Izay fanapahan-keviny no sisa na hiverina amin’izay na mbola hiandry fa dia efa afaka mody an-tanindrazana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny ankohonany, rehefa nanao sesitany ny tenany atsy Afrika Atsimo, nabomboka ny 17 martsa 2009.
Tapitra ny fe-potoana, voarakitry ny NOTAM (Notice to Airmen) laharana AO 192/11 tamin’ny 18 febroary 2011, mandrara ireo kaompaniam-pitaterana ana habakabaka tsy hitondra an’ity filoham-pirenena teo aloha ity, hitodi-doha aty Madagasikara. Fepetra manan-kery mandritra ny telo volana. Hatreto aloha dia tsy mbola misy fepetra vaovao mifanipaka amin’izay. Na ireo mpomba azy na ny mpanao politika maro dia samy mitaky ny hiverenana an-tanindrazan’ireo Malagasy sesitany politika rehetra hatramin’izay, tsy misy raorao, handaminana izao krizy izao sy hampisy fitoniana, mba hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Ny mpanohitra rahateo, indrindra ny Ankolafy telo, dia mitaky hanatanterahana eto Antananarivo ny fihaonan’ireo filohana Ankolafy efatra dia ny Pr Zafy Albert, ny amiraly Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina, miaraka amin’ireo mpitarika firohotana politika lehibe, handaminana miaraka ny krizy ka tsy hiverimberenan’izany intsony. Asa moa fa fifanandrifian-javatra fa misy ifandraisany amin’ity andron’ny 18 mey ity sy ny NOTAM nampiharina tamin’Atoa Marc Ravalomanana io, fa dia mikasa ny hanao hetsika lehibe ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana amin’ity anio ity.
Nanaitra ihany anefa ny tenin’i Andry Rajoelina raha tafaverina avy any Torkia sy Frantsa farany teo fa tapitra teo ny fifampidinihana amin’iretsy filoha telo. Fihetsika izay manaporofo fa am-bava fotsiny ihany ny an’ny mpitondra ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ny fiventesana fampihavanana, fiantsoana fifanomezan-tanana sy fampandeferana hambom-po ka hibanjinana ny tombontsoam-pirenena, fa dia valifaty no mibaiko azy ireo, ary fanaparam-pahefana no heveriny fa handaminana ny tany sy hitondrana ny firenena. Hadino ny maha Repoblika an’i Madagasikara sy ny fanjakana iaraha-manana fa dia manjaka ny fanilikilihana nefa samy Malagasy. Mbola tsaroana etoana ireo taratasy telo sosona nosoniavin’i Camille Vital tamin’ny datin’ny 17 febroary 2011, dia ilay N°090-PM/CAB, ho an’ny minisitry ny fitaterana manome baiko ny hamoahana NOTAM mandrara ny fiaramanidina mitondra ny filoha Marc Ravalomanana tsy hiditra eto, manomboka ny sabotsy 19 febroary sy ny andro manaraka rehetra, ny N°091-PM/CAB ho an’ny ministeran’ny atitany manome baiko ireo lehiben’ny lafintany sy lehiben’ny distrika rehetra manerana ny nosy handray fepetra rehetra hanakanana amin’izay mety ho fitsofohan’ny filoha Marc Ravalomanana any amin’ny faritra any, ary ny N°092-PM/CAB ho an’ireo ministera telo misahana ny filaminana (foloalindahy, filaminana anatiny, ary zandarimariam-pirenena). Ny baiko nomen’i Camille Vital azy ireto dia ny hisambotra avy hatrany izay olona entin’ny fiaramanidina tsy manaja ny fepetra amin’ny fitsofohana ny habakabak’i Madagasikara, ary hanageja io fiaramanidina io. Ny fahalalahan’ny olom-pirenena hivezivezy mihitsy no voatohintohina ao anatin’izany. Antomotra ity ny datin’ny 20 mey, voatondro hisian’ny fivoriana tsy ara-potoana hataon’ireo filoham-pirenena eo anivon’ny SADC, ka dia ho hita eo izay havoakan’ny ampitso.
Sary : Fianakaviana Ravalomanana tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Johannesbourg ny sabotsy 19 febroary 2011
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.