Politique

Marc Ravalomanana «Aza sandohana ny vahoaka !»


  • Alatsinainy 09 Mey 2011


Samy nidiran’ny Filoha Marc Ravalomanana an-telefaonina nivantana avokoa ny tany Ambatondrazaka sy tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 7 mey. “Samy nahavory olona betsaka ianareo, ary samy miandrandra ny hiverenan’ny ara-dalàna ny Malagasy rehetra ka tsy hatao tompon-trano mihono fa hilazana ny vaovao misy rehetra”, hoy izy. Efa nambara tamin’ny Iraisam-pirenena fa fanjakana tsy ara-dalàna no misy ao Madagasikara satria mpanongam-panjakana ireo mihevi-tena ho mpitondra ireo, hoy izy.

Fanjakana tsy ara-dalàna manao didiko fe lehibe no misy aty Madagasikara. Nasiany teny ny dian’ireo delegasion’ny FAT tany Afrika farany teo. “Tsy nandeha lalana nankaiza hatramin’ireo namadika palitao”, hoy ny filoha Ravalomanana. “Aza sandohana ny vahoaka, fa tsy mbola nisy fitondrana tsy ara-dalàna na mpanongam-panjakana naharitra izany teto amin’ity tany ity”, hoy izy. Fanomanana fifidianana tsy mitongilana no hatao ary antenaina fa hiompana amin’izay ny fanapahan-kevitra horaisin’ny SADC.

Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT