Fanapahan-kevitra anisan’ny goavana noraisin’ireo filoham-pirenena sy mpitondra fanjakana eo anivon’ny SADC nivory tao Sandton Afrika Atsimo, ny 11 sy 12 jona teo, ny fahafahan’ireo sesitany politika rehetra any ivelany any hody an-tanindrazana tsy misy fepetra, ary dia notsindrian’izy manokana tamin’izany ny filoha Marc Ravalomanana.
Ny filohan’i Namibia sady mpitarika ny SADC, Hifikepunye Pohamba no nitarika ity fihaonana an-tampony ity, izay natrehina filoham-pirenena sy solontenam-panjakana avy amina firenena 14, niampy ny tonia mpanatanteraka eo anivon’ny SADC, Dr Tomaz A. Salomao, sy ny filoha mozambikanina teo aloha sady mpitarika ny fanelanelanana ho an’i Madagasikara, Joaquim A. Chissano, ankoatra an-dry zareo avy any Zimbabwe. Nodinihana nandritra ity fihaonana ity àry ny dingana vita hatreto, teo ireo fihaonana isan-tokony ka ny nisongadina indrindra tamin’izany ny tany Gaborone farany teo nandraisan’ireo vondron-kery politika malagasy miisa 11 anjara. Nohamafisin’ireo mpivory tany Sandton fa maika sy laharampahamehana, ny hiverenan’i Madagasikara amin’ny ara-dalàna. Mikasika ilay tondrozotra dia nilaza ny mpivory fa hasiam-panitsiana izy iny ka miantso ny Ankolafy 3 ny SADC hanao sonia izany tondrozotra nohavaozina izany.
Tsy nanisy fanampim-panazavana mikasika io fanitsiana sori-dalana io ny SADC tao amin’ny fampitam-baovaony saingy mihevitra ny maro fa ny fanavaozana ireo andrim-panjakan’ny tetezamita no ao ambadik’io. Andrasana, araka izany, ny hivoahan’ilay tondrozotra nasiam-panitsiana, hamantarana izay ho Praiminisitry ny tetezamita, ohatra. Avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana, araka izay efa notakiany, no hanendry azy io avy amin’ny Ankolafy hafa ivelan’ny Ankolafy Rajoelina ho takalon’ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana tsy misy fepetra ? Mikasika ity farany dia manery ny FAT ny SADC hamela malalaka ireo sesitany rehetra noho ny antony politika, anisan’izany i Marc Ravalomanana, hiverina an-tanindrazana. Ny tolakandron’ny alahadin’ny pentekosta, 12 jona, no efa nampahafantarin’ny filoha Marc Ravalomanana ny tao amin’ny Magro Behoririka io fahafahany mody tsy misy fepetra io.
«Afaka mody izahay aty ka hifanatritava isika ary afaka manao politika avy eo miroso amin’ny fifidianana ka eo no hahita ny safidim-bahoaka marina», hoy izy. Horakora-pifaliana no nandraisan’ny mpomba ny Ankolafy telo, indrindra ny Ankolafy Ravalomanana izany. Tsy nifandrenesana ny anjomaran’ny fiara teny an-toerana. Nalai-nisaraka ny tao amin’ny Magro io alahady io, satria dia nohenoina ny feon’izy ireo. Nitohy omaly alatsinainy ny fihaonana. Ankoatra izay dia nanainga ny FAT ny SADC mba hamolavola haingana fitaovana na drafitra hisian’ny fahalalahana ara-politika eto amintsika mba handraisan’ny Malagasy rehetra anjara amin’ny fifidianana malalaka, marina ary azo antoka. Araka ny Andininy faha-20 amin’ny fehin-kevitry ny SADC dia ny Troika no mandray an-tanana ny raharaha Madagasikara. Araka izany dia mpanatanteraka sisa i Joaquim Chissano. Na izany aza dia ny dinika hifanaovan’ny samy Malagasy, hatao eto an-toerana aorian’ny fiverenan’ireo sesitany politika rehetra, ary inoana fa voakasik’izay koa ireo gadra politika, no hamaritra izay rafitra hapetraka ao anatin’ny tetezamita. Araka ny fantatra dia hanome ny heviny mikasika iny fanapahan’ny SADC iny etsy Ambohitsorohitra i Andry Rajoelina anio hariva, rehefa avy niala sasatra tany Nosy Be tany ny faran’ny herinandro teo.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.