Politique

Maputo (Mozambika) Nitsoaka matanjaka ny FAT


  • Alarobia 20 Aprily 2011

Nanao izay fomba rehetra tsy hifanatrehan-tava tamin’ny filoha Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina, filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, nandritra ny fandalovany tatsy Maputo omaly talata 19 aprily.

Samy tao an-toerana ny roa tonta. I Andry Rajoelina manohy ny diany nanao fanohanan-kevitra toy izay nataony tany Namibia mba hanaporofoany tamin’ny filoha Mozambikanina  fa mizotra mankany amin’ny fikarakarana fifidianana ny fitondrany ankehitriny, taorian’ny fahavitan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ny 17 novambra 2010, ny fanaovana rangopohy ny sori-dalan’ny tetezamita ary ny fananganana governemantan’ny firaisam-pirenena. Araka ny fantatra kosa dia nisy ny fampitam-baovao miendrika toromarika nataon’ny filoha Namibianina sady filoha am-perinasa mitarika ny SADC, Hifikepunye Pohamba, tamin’ny filoha zambianina sady filohan’ny Troika, Rupiah Banda, taorian’ny nihainoany an’i Andry Rajoelina ny alatsinainy teo. Ny filohan’ny Troika indray no niantso ny filoha mozambikanina teo aloha sady lehiben’ny mpanelanelana notendren’ny SADC ary ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena, Joachim Chissano, handray ny fepetra ka hanao izay hampihaonana mivantana ny roa tonta, dia i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, rehefa nivoaka ivelan’i Madagasikara ihany ka mandalo ao Mozambika ity farany.

Araka ny fantatra dia ry zareo Afrikanina Tatsimo no nandray an-tanana ny dian’ny filoha Ravalomanana nihazo an’i Maputo. Nisy olona telo, niara-dia taminy dia ilay Afrikanina tatsimo manampahaizana manokana sady be traikefa momba ny famahana krizy, Brain Carrin, niampy an’i Olivier Andrianarisoa ary mpanolotsaina manokan’ny filoha Afrikanina tatsimo, Jacob Zuma. Nihaona tamin’i Joachim Chissano avy hatrany izy ireo vao tonga tao Maputo, satria izay no anton-dia. Nandritra izay no nahafantarana fa nitady ny fomba rehetra tsy hihaonana mivantana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana i Andry Rajoelina. Fihaonana izay noheverina fa nanan-danja tokoa ary hanamora ny fandaminana ny krizy raha tanteraka, noho izy roa ireo fototr’izao krizy izao. Araka ny loharanom-baovao dia tsy ampy olona (hono) i Andry Rajoelina ka sarotra aminy ny hifampiresaka, eo koa ny hoe mbola manana fotoana hafa hovonjena izy. Nanepoka niaraka taminy koa ny filohan’ny Kongresy, Raharinaivo Andrianatoandro.

Nandrasan’ny mpanara-baovao koa mantsy izay ho nambaran’ity farany raha nihaona ka nifanatri-tava mivantana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana. Tsy nanakana ity farany hanamafy teo anatrehan’i Joachim Chissano indray fa tsy nanaraka ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny famahana krizy ny nataon’i Leonardo Simao teto, ka namoahany iny sori-dalana iny, ny tsy nahatanterahan’ny fampihaonana. Nambarany koa fa vonona hatrany amin’ny fifampidinihana ny ankolafy tarihiny sy ny ankolafy telo, ary izay no mahazava-dehibe ny hisian’ny fihaonana an-tampon’ireo filohan’ny ankolafy efatra miampy ireo lehibe mpitarika vondrona politika lehibe hikatsahana vahaolana iraisana hamaranana izao krizy izao, fa sahirana loatra ny vahoaka.

Araka ny tati-baovaon’ny seraseran’ny fiadidiana ny fahefana avon’ny tetezamita dia hitodi-doha an-tanindrazana anio alarobia 20 aprily i Andry Rajoelina sy ny delegasiona notarihiny. Nanafohy ny diany ary nody alohan’ny fotoana izy raha izay no izy, satria hadimiana no tokony ho faharetan’ny fivahinianany tany Afrika tany. Nisy firenena hafa tokony ho nalehany ve teo anivon’ny SADC fa tsy nety nandray azy ny filohany ? Amin’ny fiverenan’izy ireo eto no hamantarana bebe kokoa ny momba izany, fa raha ny fahitana azy hatreto dia nitsoaka matanjaka ny FAT.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT