Nanambara mazava ny heviny amin’ny tsy fahatafavoahantsika amin’ny krizy ankehitriny omaly teny amin’ny Carlton Anosy, toerana niantsoany ireo mpikambana maro avy any amin’ny Faritra 22, ry zareo ao amin’ny «Nouvelle Alliance pour le Changement Démocratique» na ny fivondronan’ireo mpanao politika tsy mitovy firehana nefa mitambatra ho an’ny fanovana demokratika eto Madagasikara.
Nambaran-dRtoa Manorohanta Cécile, iray amin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity fiaraha-mientana ity fa misy ny mody faninana amin’ny fampiharana ny tena demokrasia eto amin’ny firenena. Ny tena fametrahana izany demokrasia izany anefa no ahatafavoaka antsika. Tokony hotanterahina koa izay tenenina, hoy izy fa tsy dradradradraina toy ny sori-dalana malaza ankehitriny nefa ireo nankato azy ihany no mamorona sakana tsy hanatanterahana azy. Mbola nohamafisiny aza fa diso ny fitenenana hoe : manao «blocage» ny sasany fa ny fanjakana amin’izao fotoana mihitsy no manao izany sakana izany. Apetraho ny tena demokrasia fa aza laniana andro ny olona ! Ajanony ny paipaika samihafa rehetra fa ataovy mangarahara ny fitantanana ny firenena ! Nahoana no tsy andrasana ny 15 andro hanatanterahan’ny fivondronambe Afrikanina ny fivoriany dia ho hita eo ? Tsy hoe tsy mankasitraka ny dia ataon-dRajoelina mankany Afrika izahay fa misy fambara hafahafa ny fijerinay azy.
Nanambara koa anefa tetsy an-kilan’izay ny Pr Tehindrazanarivelo fa voatery nampitoviana ny tadin-dokanga tao amin’ny Carlton satria samy manana ny famaritany ny atao hoe : “demokrasia” ny rehetra tonga nivory tao. Ny an’ny sasany fahalalana tsotra izao izy io, ny an’ny hafa fahalalana miteny. Ao koa anefa no nilaza fa ny fanamboarana ny lalana mankany amin-dry zareo no tena demokrasia. Ity “Alliance” ity dia mahita fa mila ialana ny fitantanana misy faneriterena. Ilaina ny fananganana ny rafitra vaovao hampiharana marina ny demokrasia. Ilaina ny famerenana ny ara-dalàna ary ilaina farany ny fikarakarana ao anatin’ny fotoana fohy ny fifidianana izay hanajana tanteraka ny fahalalan’ny mpifidy, fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Tolokevitra hatolo-dry zareo amin’ny vondrona iraisam-pirenena ireo fahitana rehetra ireo ka angatahana fanampiana ara-politika, ara-toekarena, ara-diplaomasia ary ara-bola amin’izy ireo ihany koa.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.