Politique

Manombo Toliara Nanao rodobe koa ny minisitra


  • Zoma 20 Mey 2011

Ankoatra ny Praiministra Camille Vital dia fantatra fa minisitra efa ho folo be izao no niara-tonga tany Manombo Toliara nanatrika lanonana fitokanana zava-bita tany tamin’ny herinandro lasa teo iny.

 . Izy rehetra ireo, hoy ny vaovao azo, dia samy nitondra ny mpiara-miasa aminy avokoa ary samy mbola nitondra mpanao gazety samihafa ihany koa nandrakotra ny hetsika. Nitorajofo ny vovoka tamin’ireo toerana nandalovan’ny fiara tsy mataho-dalana maro dia maro (4x4 io ê !), hoy ny nanatri-maso ary dia tototr’izany ireo mponina nitofezaky ny krizy tany amin’ireo tanàna maro izay nandalovan’ireo delegasiona fotsiny ihany nampisehoan’izy ireo ny maha izy azy fa tsy mba nisy na iray aza nijanona mba nidinika fohy, na mba nanome vatsin-dalana ho azy ireo. Ny fanadihadiana nataon’ny mpivahiny tany an-toerana no nahalalana fa nanodidina ny sivy alina ariary isanisany ny saran’ny fivahiniana indray andro tao amin’ny efitra iray ao amin’ny hotely lehibe avo lenta nivantanan’ny delegasionina. Dia ataovy ny kajikajy fa izany tokoa ilay fitsitsiana sy fanovana tian-katao.

 

Manohy

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT