Politique

Manoela sy Pasitera Edouard Rahonana hosamborina mba hangina


  • Zoma 20 Mey 2011

Efa ho roa andro izao no nandeha ny feo fa hosamborina ny pasitera Edouard sy Manoela.

 Ny antony dia noho izy ireo hita hatrany tao anatin’ny fitarihina ny tolon’ny ankolafy telo. Hatramin’izay tokoa mantsy dia tsy niraty mihitsy izy mirahalahy ireo ary naherifo tamin’ny fanentanana ny fihaonana na tao amin’ny Magro izany na tany amin’ny toeran-kafa. Tsy rony tsy ventiny teo dia karohina tampoka izy roalahy ary niniana naely mihitsy aza izany, asa ny mba hilaminan’izy ireo na koa mba tsy hipoirany intsony amin’ny sehatra politika aloha. Ny antony dia mba hisian’ny fisamborana satria tsy hita izay fototra hanaovana an’izany. Tsy zakan’izy ireo fotsiny tsotr’izao ny mieritreritra azy roalahy ireo mivantambatana eo amin’ny fanentanana ary indrindra koa izy roalahy izay mahavita manainga ny olona amin’ny tolona. Raha tsiahivina dia efa samy notazonina am-ponja na ny pasitera Edouard na i Manoela rehefa nosamborina tampotampoka. Noheverina taorian’izay fa hilamindamina kanefa mainka koa navitrika amin’ny hetsiky ny Ankolafy telo. Tsy toy ireo izay nomena seza dia nilamina sy nangina tanteraka ary nivadika palitao. Izay mijoro izany dia rahonana samborina avokoa mba tsy hipoipoitra...

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT