Politique

Manjakatompo Andranomanelatra Nosavaina ny tranon’i Tojo Ravalomanana


  • Alakamisy 17 Febroary 2011

Nanaovan’ny mpitandro ny filaminana bemidina tao amin’ny fananan’ny filoha Ravalomanana ao Andranomanelatra omaly tolakandro. Hanao fisavana no anton-dian’izy ireo, ary fantatra fa nitondra taratasy avy amin’ny lehiben’ny fampanoavana avy ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antsirabe nanatanterahana izany.

«Baiko midina io», araka ny loharanom-baovao akaikin’ny mpitandro ny filaminana. Kamion’ny Tiko avy naka sakafom-biby tao amin’ny TOP Antsirabe no nosakanan’ireo andia-miaramila ireto hitondra azy ireo hatrao Andranomanelatra. Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany io. Nanomboka teo amin’ity orinasa ity ny fanadihadiana. Tsy tao anefa no tena anton-dian’izy ireo fa tao Manjakatompo, toerana somary mihataka sy takontakona ity orinasa Tiko ao Andranomanelatra ity. Nihazo ny biraon’ny Ben’ny tanàna ny sasany tamin’izy ireo, toa hoe nampahafantatra ity fisavana hatao ity. Nandritra izay anefa dia efa vory ny vatan-dehilahy maro, taitra noho ny zava-misy satria tsy vao voalohany ny toy izao tao hatramin’ny martsa 2009 no ho nankaty.

Raha ny lalàna rahateo dia eo imason’ny tompon-trano no tokony hanatanterahana fisavana trano. Rehefa izay dia niroso tamin’ny fisavana ny toerana ireto mpitandro ny filaminana ireto, izay zandary no fahitana azy. Naharitra ora iray sy sasany teo izany. Trano foana moa no tao, ka rehefa nozohina dia hitady fiarakodia no tena anton-dian’ireto zandary fitolahy ireto tao Manjakatompo. Ireny fiara fampiasa amin’ny kortezina mpitondra ambony ireny no nokatsahina, saingy tsy misy an’izany tao. Mitranga izany rehetra izany, rehefa nilatsaka ny vaovao ary niely faran’izay haingana vokatr’ity teknôlôjia ity, fa hiverina an-tanindrazana Atoa Marc Ravalomanana.

Raha tsiahivina dia io toerana io no anisan’ny notongavan’ny FIS voalohany raha vao nanomboka ny krizy ka nahatonga ny Filoha Marc Ravalomanana, mianakavy, hiala teto an-tanindrazana. Efa saika fongana avokoa ny entana rehetra tao tamin’izany fotoana, nandritry ny fisavana. Izao indray, manoloana ny feo mandeha fa hiverina ny tompony dia efa noraisin’ny FAT sahady ny fepetra amin’ny fisavana tao an-toerana. Manaporofo hatrany izany fa mikorontana tanteraka ny mpanongam-panjakana manoloana an’ity fiverenan’ny mpanovo ny ara-dalàna amin’ny sabotsy ity.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT