«Ianareo tompon-tanŕna ihany no nitaraina nahatonga ireo mpitandro ny filaminana sy ny fanjakana FAT tonga mandrava anay aty, tsy maintsy hamaly faty izahay ka doranay koa ny tanŕnanareo mialoha ny hialanay tsy hitrandraka safira eto intsony».
Izay no nambaran’ireo mpitrandraka safira tao Màndraka Toamasina II nandritra ny fandravana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna vatosoa tao amin’ity tanàna ity. «Nandalo tokoa ramaka, dia may ny tanàna», satria ny 80%-n’ny tanàna dia rotiky ny afo, ny tanàna rahateo vita amin’ny ravim-pontsy sy falafa ary hazo avokoa. Rava fananana hatramin’ireo mpiavy tonga tao Mandraka mba hivarotra manararaotra ny hamaroan’ny mpitrandraka sy mpibizina safira tonga tany nanomboka ny volana jona 2010. Nisy may vola dimy tapitrisa ariary nampirimina tao an-trano ankoatra ny fahapotehan’ireo enta-madinika namatsiana ireo vahiny tonga tao.
Ny alarobia 20 aprily tokony ho tamin’ny 11ora antoandro no nanomboka ny raharaha rehetra raha niainga maraina tao Anjahamarina ny Emmo-Reg, hanatanteraka ny iraka nomen’ny FAT azy ireo. Teo am-pidirana an’i Mandraka no efa nanomboka ny fandorana ny trano amoron-dalana mba hanakanana ny firosoan’ireto Emmo-Reg ireto eo afovoan-tanàna. Niroso hatrany anefa ny miaramila ary dia tora-bato no nitsenan’ireo vahiny tonga hitrandraka safira tao Màndraka, nampian’ireo zanatany sasany vao tafiditra teo an-tanàna izy ireo. Nivadika ho fandorana ny ilany avaratra atsinanan’ny tanàna indray ny raharaha nialoha ny hialan’ireto mpitrandraka tsy ara-dalàna ireto tanteraka ny tanànan’olona, ka io no nitarika ilay famaizana hatramin’ny 80% ny tanàna tao Màndraka Toamasina II ity. May tao avokoa ny sekoly misy mpianatra 187, ny tranon’ny mpampianatra sy ny fananany, toeram-pivarotana ary ny tranon’ireo tompon-tany. Tombanana ho 7.000 ny isan’ny olona tao Màndraka tao raha tsy nisy afa tsy 200 izany nialoha ny nahitana safira tao. Tsy i Màndraka sy Ambodiampaly ihany no lasibatra tamin’ity fandorana tanàna ity, fa teo koa ny tao Sahamanonira izay kila 100% sy ireo trano ary tanàna manamorona ny lalana mivoaka mihazo an’i Ivoloina, nanampy trotraka izany ny sakan-dalana tamin’ny hazo be sy ny fandravana ireo mpivarotra amoron-dalana nataon’ireo tsy faly.
Tsy nisy ny maty fa ny naratra no maro noho ny fikoropahana sy famonjena natao. Nisy olona 5 kosa nosamborin’ny Emmo-Reg izay nampangain’ny mponin’i Màndraka ho niray tendro tamin’ny fandorana ny tanànany. Ho hita eo ny tohiny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.