Politique

Manda ho an’ny Firaisampirenena : “Tsy handany andro any amin’ny fivorian’ny mpanao politika”


  • Alatsinainy 28 Febroary 2011

Naneho ny heviny momba ny raharaham-mpirenana ny antoko Manda ho an’ny Firaisampirenena. Nambaran’i Lalatiana Ravololomanana, filohany fa tsy laharam-pahamehana ny famoriana ny mpanao politika. Hentitra koa ny teniny manoloana ny fihetsik’i Simao izay toa mitady hanao amboletra ny raharaham-pirenena. Fanadihadiana.

Tia Tanindrazana (TT) : Ny hevitrao manoloana ny fanambaran’ny Dr Simao fa hosoniavina amin’ity herinandro ity ilay sori-dalan’ny SADC ?

Lalatiana Ravololomanana (LR) : Manamafy aho fa i Madagasikara dia tsy an’ny Dr Leonardo Simao na an’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-komana aminy. Isaorana ny fianakaviambe iraisam-pirenena nanolo-tanana antsika hanelanelana eo amin’ny hery politika isan-karazany amin’izao krizy izao. Ny zavatra tsapa anefa dia toa teren-ko masaka toa voalobo-jaza ny fomba itondran’ny Dr Simao ny raharaha amin’izao fotoana. Ny firenena malagasy dia tsy atakalo ary ny Vahoaka malagasy dia tsy azo atao takalonaina ka raha ny Dr Simao no mitady handidy hanapaka dia tsipahina izany.

 

TT : Ahoana anefa raha mahazo ny fankatoavana ny FAT aorian’io fanaovan-tsonia io  ?

LR : Raha eken’ny fiianakaviambe iraisam-pirenana ny zava-misy amin’izao fotoana dia ho hitantsika eo raha mahasoa ny firenena izany. Mitsangana ho mpanohittra izany toe-javatra izany ny tenako ka tsy hangina mihitsy raha tsy misy ny fahatoniana ara-politika eto Madagasikara ary tontosa koa ny fihavanam-pirenena.

 

TT : Handray anjara amin’ilay fivoriana iarahan’i Andry Rajoelina amin’ny mpanao politika ve ny Manda ho an’ny Firaisampirenena ?

LR : Tsy hanatrika izahay satria na inona na inona foto-kevitra entina ao dia efa nanao tsy omby aloha ireo mpomba azy sy mpitady toerana. Tsy ilaina ny mandany andro any. Ny tokony hojerena izao dia ny vahoaka, fametrahana ny fitoniana ara-politika ary ny famoahana ireo gadra politika. Tsy laharam-pahamehana ny fiantsoana ireo mpanao politika fa ny fiverenana an-databatra boribory ifampiresahana hamoaka ny firenena ao anatin’izao krizy izao no mahamaika.

 
Yves 
 
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT