Politique

Manantsoa Victor “Tsy mbola governemantan’ny firaisam-pirenena io”


  • Talata 12 Aprily 2011

Tsy mahafeno ny fepetra amin’ny maha fampiraisam-pirenena azy ny governemanta Camille Vital natsangana tamin’ny alalan’ilay sori-dalan’ny Dr Leonardo Simao vita rangopohy teny Ivato ny 09 martsa araka ny fahitan’i Manantsoa Victor, mpikambana ao amin’ny Hery Politika Mitambatra (HPM) sady filohan’ny vaomieran’ny fampihavanam-pirenena ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita.

Raha ny heviny dia tsy manaja ny lanjan-kery ananan’ny vondrona politika no tsy ahitana taratra ny fitsinjirana ara-drariny isam-paritra koa ny fanendrena ireo minisitra. Misy ny faritany manana minisitra 7, 11 fa misy koa anefa tsy manana solontena ao anatin’ny governemanta mihitsy kanefa samy ahitana olomanga avokoa ny faritra rehetra eto amin’ny nosy, hoy izy. Mitaky ny hanamboarana indray ny fitsinjarana ny seza ao amin’ny governemanta ny tenany, araka izany, rehefa azo ny fankatoavana ilay sori-dalana. “Mila ampahafantarina koa ny vondrona niavian’ny minisitra tsirairay hisian’ny tena fitoviana marina”, hoy i Manantsoa Victor.

Marihina fa iray monja ny anjara toerana azon’ny HPM ao amin’ny governemanta izay vondrona misy azy amin’ny alalan’i Ndremanjary Jean André, mitantana ny departemantan’ny fanatanjahantena. Momba ny fanitarana ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita indray dia mihevitra ity filohan’ny vaomieran’ny fampihavanam-pirenena ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita ity fa tokony hiandry ny fankatoavana iraisam-pirenena ihany koa izany satria havesatra amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny fandoavana ny karaman’izy ireo raha tsy mahazo fanampiana avy any ivelany.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT