Politique

Manandafy Rakotonirina Tsy nanaiky niara-niasa tamin-dRajoelina


  • Zoma 28 Janoary 2011


«Efa hatrany am-boalohany nanombohan’ny fitakiana samihafa niainga teny Ambohijatovo ireny no efa nangataka ahy hiara-kiasa aminy i Andry Rajoelina fa tsy namaly izany aho», hoy i Manandafy Rakotonirina filoha nasionalin’ny antoko MFM. «Tsy tiako fotsiny dia izay», hoy izy. «Izahay nahita fa nanaraka ny hevitra rehetra ny Filoha Marc Ravalomanana satria efa nifampiresaka tsara tamin’ny antoko politika rehetra izy ary efa namory ny antoko politika rehetra ihany koa. Efa tanterany ihany koa ny hetahetanay amin’ny ahitana Ravalomanana be dia be manerana ny Nosy raha tsy hilaza afa tsy ireny fiompiana omby vavy be ronono ireny fotsiny isika».

«Betsaka ny hevitra nahomby nivoaka avy tamin’ny MFM, tamin’ireny toe-draharaha namaivay teto amin’ny firenena ireny», hoy i Manandafy Rakotonirina, «misy manohitra hatrany anefa izy ireny vao averina ampiharina ihany aoriana kely». Ohatra noraisiny tamin’izany ny raharaha 10 aogositra sy ny fitondrana olona hovonoina teny Iavoloha nefa nanaiky nifanaraka ihany ny rehetra teny amin’ny hotely Panorama taty aoriana. Tsy namaly ny fanontaniana nivantana kosa moa ity Filohan’ny MFM ity raha nanontaniana mikasika ny fahavononany ho Praiministry ny fifanarahana raha takiana ho amin’izany.

Nambarany fa tsy mbola nodinihan’ny rehetra ny amin’izany fa ho hita eo. «Nisy fepetra narahina tamin’ny tolo-kevitr’ireo solombavambahoaka niisa 109 nanolotra ahy ho Praiministra tamin’ireny fotoana ireny (aprily 2009)», hoy izy.  Marihina fa antoko nandray anjara hatrany tamin’ny tolom-bahoaka nisy teto amin’ny firenena hatramin’ny taona 1972 no ho nankaty ny MFM afa tsy ny tamin’ny taona 2009 na dia nahitana mpikambana taloha tao aminy ihany aza tao anatin’ireny fiarahana tamin-dRajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana ireny («misy mpikarama an’ady ny sasany», hoy i Manandafy Rakotonirina).

 
Manohy
 

SARY : Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny MFM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT