Politique

Manandafy Rakotonirina “Ny Firenena Mikambana no tokony hiantoka ny fiverenan-dRavalomanana”


  • Talata 08 Febroary 2011


Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy dia nanao tatitry ny iraka nampanaovina azy teto Madagasikara amin’ireo mpanelanelan’ny SADC ny Dr Simao omaly ary amin’ireo firenena mikambana ao amin’ny troïka ahitana an’i Afrika Atsimo, Mozambika ary Zambia anio. Andrasana eto Antananarivo ny Dr Leonardo Simao amin’ny herinandro ambony hanohy ny fanelanelanana amin’ny fifampidinihana, araka ilay fampitam-baovao ihany.

Fa ankoatra io dia handefa manampahaizana momba ny fifidianana eto koa ny OIF na vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, saingy tsy nomena kosa ny datin’andro ahatongavan’io delegasiona io eto amintsika. Momba ny fifampidinihana izay indrindra dia mihevitra i Manandafy Rakotonirina fa tsy tokony hankinina amin’ny Dr Leonardo Simao samirery ny andraikitra fa iarahany amin’ny Firenena Mikambana. Manana an’i Peter Metcalf, izay solontenany eto amintsika rahateo ny Firenena Mikambana, hoy izy. «Andraikitry ny firenena mikambana koa ny miantoka fiverenan-dRavalomanana eto sy ny fahafahany mirotsaka hofidiana filoham-pirenena”, hoy izy nanohy ny fanazavany.

 Yves
 Sary : Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko MFM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT