Politique

Manandafy Rakotonirina Nanamafy fa ho avy ny Filoha Ravalomanana


  • Alakamisy 17 Febroary 2011

“Tena ho avy ny Filoha Ravalomanana fa tsy lainga araka ny fiheveran’ny sasany azy”, hoy i Manandafy Rakotonirina teny Bel’Air omaly. Izy tenany mihitsy anio alakamisy 17 febroary no hilaza izany mivantana amin’ny alalan’ny fitafatafana amin’ny mpanao gazety mivantana an-telefaonina.

Nambaran’ny filohan’ny antoko MFM mazava fa ilaina ny fahatongavan’ny Filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana ho fandaminana amin’ny resaka ivoahana amin’ny zava-manahirana ny Malagasy hatramin’izao. Satria hatramin’izay dia novonjena tany ivelany tany hatrany izy mirahalahy mianaka ka zary nifandrirarira teo foana ny rehetra. Ampodio amin’izay izy ireo tsy hisian’ny fifampisandosandohana eto. Tsy hanakorontana antsika izany satria izao anie isika efa mikorontana amin’ny fanagadrana olona amin’ny tsy antony lava izao ê ! Ravalomanana Marc, hoy i Manandafy raha namaly ny fanontaniana hafa napetraky ny mpanao gazety dia tsy fehezin’iza na iza fa mahazo mody amin’ny sitrapony.

Raha misy ireo mandrahona azy araka ny teninareo dia aleo ho hita eo raha mahasahy. Mahalala daholo izao tontolo izao fa tsy olona miafina Ravalomanana, hoy izy fa nisy fanonganam-panjakana teto amintsika. Mikasika ny fiarovana azy amin’izay fiverenany izay dia nambaran’ity mpitari-tolona ity fa ny finoana an’Andriamanitra no fiarovana azy. Ary mikasika ny tenin’ny ministry ny raharaham-bahinin’ny FAT, ny Amiraly Hippolyte tao amin’ny haino aman-jery dia nazava ny tenin’i Manandafy Rakotonirina fa efa nomen’ny Filoha Ravalomanana fahefana izy iny fa tsy nahazaka izany. Tsy asiako lanja loatra ny teniny fa tsy zakany koa ny ataony. Teny tsotra no namaranany ny teniny tamin’ny filazana fa tsy milamina ny tany raha tsy eo i Marc Ravalomanana.

Manohy
 
SARY : Atoa Manandafy Rakotonirina tetsy Bel’Air

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT