Politique

Manamboninahitra lefitra Napetrapetrak’i Camille Vital


  • Alarobia 02 Febroary 2011

Nankalazaina omaly 01 febroary ny andron’ny manamboninahitra lefitra izay nomarihina ny tapak’andro maraina tamin’ny alalan’ny fanatanjahantena niarahan’izy ireo tamin’ny filohan’ny FAT teny amin’ny RTS.

Samy nanana ny fandaharam-potoany manokana avokoa ireo sokajy tsirairay avy taorian’io lanonana ofisialy io. Ho an’ireo manamboninahitra lefitra miasa eo anivon’ny fiadidiana ny praiministra dia notohizana tamin’ny alalan’ny fiaraha-misakafo tetsy Ankadindratombo izany ny antoandro ka nasaina manokana ny praiministra Camille Vital .Tsy nipoitra anefa ity farany na dia nandrasana adiny iray mahery aza. Raha tamin’ny mitataovovonana latsaka fahefany mantsy no fotoana voatondro hanombohana ny fisakafoana dia nahemotra hatrany izany ka efa tany amin’ny iray ora mahery vao raikitra.

Samy manana ny fanazavany ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny lehiben’ny governemanta ka tao no nilaza fa mbola mitarika ny filankevitry ny governemanta ny tenany raha ny tsy fahasalamany tampoka kosa no nambaran’ny sasany ho antony tsy nahatongavany. Tsy nanakana ny fahavononan’ireo manamboninahitra lefitra hiara-paly amin’ny andro natokana ho azy anefa io toe-draharaha io. Randrianarivelo José Mamitiana, filohan’ny Cosofam (Corps des sous officiers de l’Armée Malagasy) eo anivon’ny fiadidiana ny fiarovana ny praiministra no nitarika ny lanonana izay nanamafy fa fotoana fampivondronana ny firaisankinan’ny samy manamboninahitra lefitra ny andron’ny 01 febroary. Ity fety ity izay nankalazaina nanomboka ny taona 1996 hamerenana indray ny maha iray tsy mivaky azy ireo rehefa nandalo ny fizarazarana taorian’ny krizy 1991. «Marina tokoa fa misy ireo manamboninahitra any am-ponja saingy mahafantatra ny ataony ireo lehibe. Tsy mizarazara izany koa izahay na dia izay aza no mety ho taratra avy any ivelany», hoy Randrianarivelo José Mamitiana. Dieny izao dia efa manomana ny fankalazana ny faha-15 taona nanamarihana ny fetin’ny 01 febroary ny Cosofam amin’ny taona ho avy amin’izao fotoana.

 Yves  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT