Politique

Manakara Atahoran’i Andry Rajoelina mafy !


  • Talata 10 Mey 2011

In-droa miantoana izao ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, hatramin’ny fiandohan’ny taona no nitsidika tamin’iny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny.

 Voalohany dia nidina nizaha ny fahavoazana sady nampahery no nitondra fanomezana ho an’ireo traboina taorian’ny rivodoza Bingiza. Faharoa dia nidina tao Farafangana renivohitry ny Faritra Atsimo Atsinanana nitokana fotodrafitrasa telo sosona momba ny fampianarana ny tenany. Tamin’ireo dia roa ireo, dia tsy nanao manao ahoana ary tsy nanao veloma ny vahoakan’i Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny tenany. Tezitra ? Raha ny oha-pitenenana malagasy dia izay no mahadika azy. Raha tomorina akaiky anefa dia hita fa manaloka azy ny raharaha kolonely Charles, izay enim-bolana any Tsiafahy amin’izao fotoana izao, nefa anisan’ireo manamboninahitra nivarotra aina nanao izay hampijoroana izao Fahefana avon’ny tetezamita izao. Nisy traboina tao Manakara fa nolalovany.

Manana trano CRINFP (Centre Régional de l’Institut National de Formation Pédagogique) fanofanana mpampianatra, vaovao mitovy endrika sy habe ary misy fampitaovana, sady famatsiam-bola iray, samy AFD, tamin’ilay notokanany tao Farafangana ny zoma 06 mey teo fa nodinganina tsy notokanana ny tao Manakara na dia efa vita ary miezinezina ao Mangarivotra Manakara aza. Mazava ny resaka hoy ny any an-toerana fa matahotra i Andry Rajoelina, sao mitroatra ny zanak’i Manakara. Tsy vitan’ny raharaha Charles Andrianasoavina mantsy, fa eo koa ny nanilihana ny zanak’i Vatovavy Fitovinany, tsy ho ao anaty governemanta ambara fa firaisam-pirenena najoro tamin’ny 26 martsa 2011.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT