Politique

Mamy Rakotoarivelo “Tsy mbola io sori-dalana io”


  • Alakamisy 10 Martsa 2011

Raikitra sahady ny fandaingana etsy sy eroa omaly. Anisan’ny niniana naely ny hoe nanasoina ilay sori-dalan’ny Dr Simao ny ankolafy Ravalomanana.

«Nisy tokoa ny sonia natao tetsy Ivato saingy mahakasika ny fahatongavana teny no nosoniavina fa tsy sanatria akory fankatoavana ilay sori-dalana”, araka ny fanazavan’i Mamy Rakotoarivelo, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sady sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara. Tao anatin’ny kabariny rahateo ny Dr Leonardo Simao dia nanamarika fa tsy nanao sonia rangopohy ilay soridalana ny Ankolafy Ravalomanana. Eran’ny tranonkala anefa dia efa naely fa nankato ihany ny ankolafy Ravalomanana. Torak’izany ihany koa tamin’ny onjam-peo sasantsasany izay efa tsy mahagaga intsony ny fandikana vilana.

Mazava ho azy fa tadiavin’ny FAT hakorontana indray ny lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny Ankolafy Telo. Dia heverin’izy ireo fa tsy mba mifampiresaka na koa mifanakalo vaovao ireo olona ireo ? Dia heverina koa ve fa ny vaovao diso haeliny no hiteraka tsy fifankahazoana eo anivon’ireo mpitarika ny Ankolafy Telo ? Heverina ho diso toerana ihany izany fanakorontanana saim-bahoaka izany… Araka ny fantatra dia hihaona amin’ny iraky ny SADC ny ankolafy Ravalomanana amin’ity anio ity, mialoha ny handaozan’ny Dr Leonardo Simao an’i Madagasikara.

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT