Politique

Mamy Rakotoarivelo Tsy mahazo mivoaka ny sisin-tany


  • Alakamisy 31 Martsa 2011


Tsy afaka mivoaka ny faripiadidian’ny fitsaran’Antananarivo, tsy afaka mivoaka an’i Madagasikara ihany koa, mazava ho azy. Izay no tena azo sintonina amin’ny fampitam-baovao nataon’ny Tonian’ny Fampanoavana, Jean-Marie Ramangason, ny alin’ny talata teo. Raha misy ny fikasana hivoaka ny renivohitra dia mila maka fahafahana manokana na koa mampahafantatra an’izany amin’ny lehiben’ny fitsarana i Mamy Rakotoarivelo.

Ny sojaben’ny mpitsara mpanao famotorana no nihaino azy ny andron’ny 29 martsa teo ary mahakasika ny fikasana hifofo ny ain’i Andry Rajoelina no nitazonana azy. Raha araka ilay fampitam-baovao ihany dia tsy mbola afaka velively akory izy fa hoe afaka vonjimaika fotsiny. Mbola arahin’ny fitsarana akaiky ny momba ny dosie mahakasika azy izay efa eo anivon’ny sojaben’ny mpitsara mpanao famotorana. Arahina ihany koa ny fivezivezeny sao atahorana ny hivoaka ny sisin-tany.

 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT