Politique

Mamy Rakotoarivelo Tapitra rahampitso talata ny fitazonana azy


  • Alatsinainy 28 Martsa 2011


Hotaperina tanteraka ilay 15 andro. Tsy nandiso an’izany ny loharanom-baovao akaiky ny DST. Midika izany fa rahampitso talata, raha tara indrindra, no haterina eny anivon’ny Fampanoavana i Mamy Rakotarivelo izay efa notazonina tao amin’ny BC Anosy efa ho 14 andro izao. Amin’ny maha andro tsy hiasana ny 29 martsa anefa dia heverina fa anio na ny alarobia no hotontosaina izany.

Ny mety ho tohiny kosa indray dia tsy misy afa tsy zavatra roa ihany no hiseho. Na izy homena fahafahana vonjimaika na izy halefa eny Ambatolampy, eny amin’ny fonjan’ny gadra politika. Mazava loatra fa miankina amin’izay fifanarahana ara-politika misy eo no hanapahan’ny FAT ny heviny. Raha ny fanadihadiana mandeha eo anivon’ny mpitandro ny filaminana mantsy dia hita fa tsy dia misy fototra loatra. Na ny porofo mivaingana, na ny fanajana ny zon’ny voarohirohy, na ny fanajana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana dia tsy misy voahaja. Midika izany fa tazonina izy noho ny antony ara-politika ary izay mety ho fifanarahana ara-politika miafina any ihany koa no hipetrahan’ny fanapahan-kevitra momba azy…

 
r.d
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT