Politique

Mamy Rakotoarivelo “Sarotra ny hanilika ny Ankolafy Ravalomanana”


  • Alatsinainy 31 Janoary 2011


 Tao Arivonimamo Faritr’Itasy nandritra lanonam-pifampiarahaban’ny antoko Tiako i Madagasikara noho ny fahatrarana ny taona tany an-toerana ny sabotsy 29 janoary teo, no nanamafisan’ny Sekretera Jeneraliny am-perinasa, Mamy Rakotoarivelo, fa ‘Manana ny maha izy azy ny antoko Tiako i Madagasikara ary hita fa tena miverina amin’ny heriny tanteraka’.
 
Nohararaotiny ny nandefa hafatra ho an’ny rehetra tamin’ity fihaonana ity : “Misy ny foto-kevitra telo hijoroan’ny Tiako i Madagasikara sy ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny dinika hivoahana amin’ny krizy. Voalohany dia ny fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana, faharoa ny fametrahana ny fitoniana ara-politika dia ny famoahana ireo gadra politika, fampitsaharana ny fanenjehana ara-politika, fanokafana ireo radio nakatona, fahatelo fahavononan’ny antoko Tiako i Madagasikara sy Ankolafy Ravalomanana amin’ny fifampidinihana sy ny fandraisana andraikitra amin’ny fitantanana ny tetezamita. Ny fifampidinihana dia nametraka io fepetra telo io tamin’ny solontenan’ny SADC ary mbola hitohy ny dinika amin’ity herinandro ity. Ho fampisehoana ny fahavononana hamaha ny krizy, fahavononana handray anjara tanteraka sy feno amin’ny tetezamita tena izy no antony. Ho sarotra raha ny Ankolafy Ravalomanana no tsy hiditra amin’ny famahana krizy satria izy sy ny ankolafy Rajoelina no fototra niandohan’ny Krizy”, hoy izy.
 
Vory lanona tao Antaboaka ny vahoakan’Imamo sy Itasy tamin’io sabotsy io. Niditra mivantana tamin'ny antso an-tariby ny filoha Ravalomanana, niarahaba sy nankahery azy ireo, ary tsy nanafina hafaliany raha naheno ny feon’ny vahoaka be manohina ny antso nataon’ny depiote Rakotomanjato Rodin, tompomarika tamin’ny fikarakarana. Nandritra izany no nanaovan’ny filoha Ravalomanana antso fa mila miray hina ny vahoaka. “Efa tapitra ny lalana hahazoan'ireo mpanongam-panjakana ny fankatoavana iraisam-pirenena, tsy misy fanonganam-panjakana maharitra izany eran-tany” hoy izy. Nanao tsindrom-paingotra amin'ireo misandoka ho TIM ihany koa ny tenany ka nilazany, fa “maninona raha manangana antoko hafa fa tsy mangalatra ny antoko TIM"
 
Manohy
 

SARY : Mamy Rakotoarivelo, Sekretera Jeneraliny am-perinasan’ny Tiako i Madagasikara

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT