Politique

Mamy Rakotoarivelo Nohenoin’ny mpitsara omaly !


  • Zoma 27 Mey 2011


 Nohenoina indray omaly i Mamy Rakotoarivelo. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny fitsarana dia nampifanatrehana tamin’ireo roa lahy izay efa notanana vonjimaika etsy Tsiafahy ny tenany. Tsy iza izany fa i Tsimba sy Misa izay nilaza fa tompon’antoka tamin’ny fanapoahana baomba tetsy Masay. Tsy fantatra mazava izay tena resaka tao anatiny tao saingy raha ny tsilian-tsofina re dia hoe niteny amin’izay ireo roalahy ireo fa sinema avokoa ireny rehetra nitranga ireny. Asa aloha izay mety ho fahamarinany. Ny tapak’andro hariva indray, mbola tao amin’ny biraon’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana ihany, dia nohenoina indray i Rinà, tsy iza io fa ilay voasambotry ny DST farany ary nasaina niteny tamin’ny fahitalavitra mba hanonona ny anaran’ny olona iray ao amin’ny GTT izay nolazaina koa fa anisan’ny tompon’antoka, ankoatra an’i Mamy Rakotoarivelo. Dia mbola nampifanatrehana ihany koa izy rehetra ireo nandritr’izany fihainoan’ny sojaben’ny mpitsara izany. Vita izay dia samy niverina tany amin’izay niaviany avy ireo olona rehetra voalaza ireo. Ny roa teny Tsiafahy, ny iray teny Antanimora ary i Mamy Rakotoarivelo kosa tany amin’ny trano fonenany…

 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT