Politique

Mamy Rakotoarivelo Nampiova hevitra ny Frantsay ilay teny Ivato


  • Talata 22 Febroary 2011

Niavaka ny fampitam-baovao ao anatin’ny fivoriambe fanao isan’andro teny amin’ny foiben-toeran’ny Tiako i Madagasikara eny Bel’Air omaly alatsinainy 21 febroary.

Ny tenan’ny Sekretera jeneralin’ity antoko ity Mamy Rakotoarivelo no nitarika ny fivoriana. “Anisan’ny hetsika lehibe indrindra nataontsika taorian’ny nialan’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana iny. Nahafaly ny Filoha Ravalomana iny ary nanafarany anay mba hilaza amintsika rehetra mba hotohizana fa izy any efa miasa andro aman’alina koa. Efa nisy ny fandefasana taratasy any amin’ny vondrona Afrikanina sy ny SADC”, hoy ihany ny SG ny TIM, nilaza fa tsy rariny ny antsojay ataon’ny FAT ka nangataka azy ireo mba handray andraikitra mikasika izany. Anio, araka ny fanazavany, dia hisy ny diniky ny Troïka handinihana ny raharaha Madagasikara. “Ny Frantsay efa manombola miova hevitra, ny Amerikanina sy SADC efa resy lahatra hatry ny ela ary vao mainka nanaiky fa antsika ny hery”, hoy izy.

Mikasika ilay sori-dalan’ny Dr Leonardo Simao indray dia nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny TIM fa efa mijery ny hanitsiana azy iny ny ankolafy Ravalomanana satria tsy sori-dalana raikitra iny. Tsy miova ny hevitra, hoy izy : miverina an-tanindrazana ny Filoha Marc Ravalomanana, mivoaka ny gadra politika rehetra, tanterahina ny famelan-keloka, ary miditra mandray anjara mivantana amin’ny fitantanana ny tetezamita ny Ankolafy telo fa tsy mpitazana fotsiny. Ny dikany, tsy ho vita sonia amin’ity herinandro ity izy iny.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT