Nidina an-kianja, tetsy amin’ny Magro Behoririka, nanao tatitry ny dian’izy ireo tany Gaborone omaly ireo solontenan’ny Ankolafy telo notarihin’ny Pr Zafy Albert.
Raha namintina ny zava-niseho i Mamy Rakotoarivelo dia nanamafy indray fa “tsy nisy filohan’ny FAT tany Gaborone fa filohan’ny TGV”. “Ny zavatra rehetra tany dia manamafy fa aty amintsika ny lakile, ary aoka tsy ho izay zavatra mahafinaritra ny maso sy ny sofina no hotenenina fa ny marina”, hoy izy. Nanteriny indray fa efa nanolo-tanana izy ireo ary vonona hiresaka. Nanampy izay voalazany i Manoro Régis, izay nanipika mazava fa “tsy nisy sonia tany Gaborone ary tsy izany rahateo no nandehanana tany. Fanazavana ny tapaka tany Windhoek ary fandraisana hevitra sy izay fanamarihana entin’ny vondrona tsirairay mikasika azy io no nataon’ny SADC”. Mikasika ilay sori-dalana lazaina fa tokony hataon’ny Ankolafy telo sonia dia nilaza i Manoro Régis, fa “afaka manao sonia tokoa isika fa raha tsy mbola mahavaha ny krizy dia TSIA”. Hifamotoana eny Andrefan’Ambohijanahary ny Ankolafy Telo anio, hanazava amin’ny mpanao gazety ny toe-draharaham-pirenena sy iny fihaonana tany Gaborone iny.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.