Politique

Malagasy Tia Tanindrazana Miantso ireo firenena SADC tsy hampiantrano an-dRajoelina


  • Zoma 22 Aprily 2011


“Mbola voasazin’ny vondrona afrikanina i Andry Rajoelina koa mangataka ireo firenena mpikambana ao anatin’ny SADC izahay tsy handray azy”. Izany no hafatr’ireo Malagasy Tia Tanindrazana ho an’ireo firenena mivondrona ao amin’ny SADC. Tetsy andanin’izany dia nankasitraka ny filoha Afrikanina Tatsimo izy ireo noho ny tsy nandraisan’ity farany ny filohan’ny FAT. Mbola mitombina ny sazy avy amin’ny Vondrona Afrikanina, hoy izy ireo ka izany no hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo firenena hafa.

Tetsy andanin’izany dia rariny, hoy ireo Malagasy Tia Tanindrazana, ny nampanantsoan’ny filohan’ny SADC ny filohan’ny FAT satria adidin’ny SADC ny manazava amin’i Andry Rajoelina ny zavatra miandry azy raha toa ka mbola mikiribiby amin’izao taritokana izao ny tenany. Noraisin’i Mozambika koa ny filohan’ny FAT, hoy ihany izy ireo satria nikasa ny hampihaona ireo tena mpifanandrina ny lehiben’ny mpanelanelana, Joaquim Chissano, kinanjo moa tsy nahomby izany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT