Politique

Maka Alphonse Ho kandida depiote ao Amboasary Atsimo ?


  • Talata 19 Aprily 2011

Izay no malaza any Amboasary Atsimo, Faritra Anosy any. Ny ankamaroan’ny olona ao an-toerana, indrindra ny any Ranomainty tanànany Kaominina Ebelo dia samy milaza fa manomana fatratra izany i Maka Alphonse.

Loharanom-baovao hafa no mitatita fa izy no ho kandidan’ny vondron’antoko politika UDR ao Amboasary Atsimo, hifaninana amin’i Soja Jean André na Kaleta raha toa ka i Reboza Julien hatrany no nifanandrina tamin’ity filohan’ny Liaraike ity tao. Sarotsarotra ho azy ihany anefa ny hiatrika io fifaninanana politika io raha tarafina tamin’ny fihetsiky ny mponina tany an-toerana tamin’ny nandalovan’izy sy Reboza Julien tany, izy rahateo ambaran’ny mponina any ho olona mpanao tsidi-pahitra fotsiny. Mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita i Maka Alphonse ankehitriny, ary filohan’ny vaomieran’ny paositra, fifandraisandavitra, ny teknôlôjia vaovao ary ny serasera sy ny fifandraisana.

Mpikambana ao amin’ny fiarahamonim-pirenena Finoana izy, ary nandray anjara tamin’ny fikarakarana sy ny fanatontosana ny Dinika Santatra tamin’iny Faritra Anosy iny sy ny fihaonambem-pirenena tamin’ny 2010 ireny. Eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety no tena nahalalana an’i Maka Alphonse. Talen’ny fanoratan’ny gazety mpivoaka isan’andro eto an-drenivohitra izy ary filohan’ny sampan’ny “Union de la presse francophone (UPF)” eto Madagasikara.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT