Politique

Mahatafa Armand Malailay fonosana amin’i Mamy Rakotoarivelo


  • Alarobia 26 Janoary 2011

Tsy lanilanin’ny vavonin’ny antoko TIM miara-dia amin-dRaharinaivo Andrianatoandro ny fikatsahan’i Mamy Rakotoarivelo hihazona ny toeran’ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita.

Nambaran’i Mahatafa Armand filohan’ny fikambanan’ny parlemantera TIM eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita fa mila ny eran’ny mpikambana ao amin’ny CT izany satria fifidianana nataon’ireo mpikambana miisa 250 ao aminy no nanendry io filohany io ka tokony haverina izany raha ny hitsiny. Ny fahitana sy fahatsapana ny fahasahiranan’ny vahoaka, vokatry ny olana fototra niainan’izy ireo nandritra ny roa taona no nahatonga ireo solombavambahoaka sasany nanapa-kevitra ny hifampiraharaha amin’ny ankolafy Rajoelina, hoy i Mahatafa Armand. Tsy voalazany kosa ny mari-pamantarana sy hira faneva ampiasain’ity TIM Raharinaivo ity fa mbola ny anaran’ny Filoha Marc Ravalomanana no ao anatin’izany. Sahin’i Mahatafa Armand mantsy ny milaza fa : “ny ankolafy Ravalomanana no sakana amin’ny dingana fivoahana amin’ny krizy”.

Tahaka izany koa ny amin’ny resaka fananganana governemanta iraisana nilazan-dry zareo fa “Efa niara-nanaiky ny fametrahana ny lalàmpanorenana vaovao ny besinimaro, tamin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka farany teo. Voarakitra ao amin’ny andininy faha 166 ao amin’izy io, fa ny filohan’ny tetezamita ihany no manendry ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Noho izany, afaka manolotra ny anaran’izay olona tiany hotendrena ireo antoko tsirairay, saingy ny fahefana kosa dia apetraka amin’ny filohan’ny tetezamita. Raha ny hevitry ny TIM manokana, dia irarian’izy ireo ny hivoahan’ny anaran’ny praiministra sy ny governemanta haingana, ka na iza na iza voatendry ho praiministra, ary na avy amin’ny antoko iza dia ekena tsy misy sakana”.

 Manohy
 
SARY : Mahatafa Armand, filohan’ny CT TIM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT